Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 15, 13-14. 30 ; 16, 5-13a)

Andeha isika handositra fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma.

Tamin’izany andro izany,
nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida, nanao hoe:

“Tafaraikitra amin’ny fanarahana an’i Absalôma
ny fon’ny lehilahy amin’i Israely.”

Ka hoy i Davida tamin’ny mpanompony rehetra
tao aminy tany Jerosalema:

“Mitsangàna, andeha isika handositra,
fa tsy misy hahafahantsika amin’i Absalôma.
Andao faingana fandrao dia tampohiny isika,
ka ataony idiran-doza eto,
sady hasiany amin’ny lelan-tsabatra ny tanàna.”

Niakatra ny tendrombohitra Oliva i Davida,
niakatra sy nitomany izy,
sady nisaron-doha ary nandeha tsy nikiraro;
ny vahoaka rehetra nanaraka azy koa nisaron-doha
ary nitomany teny am-piakarana.
Nony tonga tao Bahorîma ny Mpanjaka,
indro nisy lehilahy anankiray,
atao hoe Semeia, zanak’i Gerà,
iray fianakaviana tamin’ny ankohonan’i Saola,
nivoaka avy tao, dia nandroso izy sady nanozona,
ary nitora-bato an’i Davida
mbamin’ny mpanompon’i Davida mpanjaka rehetra;
ary ny vahoaka mbamin’ny lehilahy mahery kosa tamin’izay,
dia teo ankavanany sy ankaviany.
Izao no tenin’i Semeia nanozona azy:

“Mandehana any, mandehana any,
ry ilay mpandatsa-drà, ry olon’i Beliala!
Indro natsingerin’ny Tompo aminao ny ran’ny tamingan’i Saola rehetra
izay nosoloinao toerana mba ho mpanjaka;
natolony ho eo an-tanan’i Absalôma zanakao ny fanjakana
ka indro fa idiran-doza ianao izao,
satria lehilahy mpandatsa-drà ianao.”

Ka hoy i Abisaia zanak’i Sarvià tamin’ny mpanjaka:

“Ahoana no anozonan’ilay alika maty io ny mpanjaka tompoko?
Avelao kely aho handeha hanapaka ny lohan’io!”

Fa hoy ny navalin’ny mpanjaka:

“Tsy manan-draharaha aminareo aho, ry zanak’i Sarvià!
Aoka hanozona izy,
satria raha ny Tompo no nanao taminy hoe:
Ozòny i Davida:
zovy moa no hanao aminy hoe:
ahoana no anaovanao izany?”

Ary hoy i Davida tamin’i Abisaia
sy ny mpanompony rehetra:

“He, ny zanako naloaky ny kiboko aza itý
mitady ny aiko;
ka mainka io zana-Benjamina io!
Avelao izy hanozona,
fa didin’ny Tompo taminy izany.
Angamba hijery ny fahoriako ny Tompoko
ka soa no hataon’ny Tompo amiko
ho valin’izao ozona androany izao.”

Ary i Davida sy ny olony nanohy ny diany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7

Mitsangàna, ry Tompo! Vonjeo aho, ry Andriamanitro!

Tompo ô! drey itý hamaroan’ny rafiko
sy ireo mitsangan-kanohitra ahy,
sy ireo mikendry ny aiko:
fa vonjen’Andriamanitra hono aho!

Kanjo, Ianao, ry Tompo no mpanao soa ahy,
voninahitro, mpanatràka ny lohako!
Izaho niantso ka niantso ny Tompo:
Izy nanoina tany am-Bohiny masina!

Izaho mandry, dia matory, dia mifoha:
fa ny Tompo manohana ahy!
Tsy atahorako izay vahoaka alinalina
manemitra ahy hatraiza hatraiza!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 5, 1-20)

Mivoaha amin’itý lehilahy itý, ry fanahy maloto.

Tamin’izany andro izany,
nony tafita ny ranomasina i Jesoa sy ny mpianany
dia tonga tao amin’ny tanin’i Geraseny;
ka vao niala tao an-tsambo kely Izy,
dia inty nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona Azy.
Tany am-pasana izy io no nitoetra,
ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony
na dia tamin’ny gadra aza,
fa matetika no nafatotra tamin’ny gadra sy tamin’ny rojo vy ny tongony aman-tanany,
nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany,
ka tsy nisy olona nahafolaka azy.
Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy
no mirenireny na andro na alina,
sady minananana no mandrà-tena amin’ny vato.
Fa nony nahatazan-davitra an’i Jesoa izy
dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany,
ary niantso tamin’ny feo mahery hoe:

“Moa mifaninona izaho sy Ianao,
ry Jesoa Zanak’Andriamanitra Avo indrindra?
Mifona aminao amin’ny Anaran’Andriamanitra re aho,
aza dia mampijaly ahy”,

satria i Jesoa efa nanao taminy hoe:

“Mivoaha amin’ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.”

Ary nanontany azy Izy nanao hoe:

“Iza no anaranao?”

Dia novaliany hoe:

“Lejiona no anarako,
fa betsaka izahay.”

Ary nifona dia nifona taminy izy
mba tsy horoahiny hiala amin’izany tany izany.
Ary eo akaikin’ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana,
ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe:

“Alefaso izahay ho any amin’ny kisoa mba hiditra ao aminy.”

Dia nekeny.
Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin’ny kisoa,
ary rifatra nivarina teny amin’ny hantsana ho any amin’ny ranomasina
ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo,
ka maty tao amin’ny ranomasina.
Dia nandositra ny mpiandry azy
ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha;
ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany.
Nankany amin’i Jesoa izy ireo,
ary nahita an’ilay azon’ny demony (izay nisy lejiona)
nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina,
ka raiki-tahotra tery.
Nony nolazain’izay nahita tamin’izy ireo
izay nahazo ilay azon’ny demony sy ny kisoa,
dia nihanta tamin’i Jesoa izy ireo, mba hiala amin’ny taniny.
Ary nony niakatra teo an-tsambo kely Izy,
dia niangavy taminy ilay azon’ny demony mba hanaraka Azy;
fa tsy navelany izy, fa hoy Izy taminy:

“Andeha ihany mody any an-tranonao
any amin’ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon’ny Tompo taminao
sy ny namindrany fo taminao.”

Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapôly
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa taminy,
ary gaga ny olona rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...