Vakiteny voalohany
Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 12, 1-7a. 10-17)
Nanota tamin’ny Tompo aho.
Tamin’izany andro izany:
Naniraka an’i Natàna ho any amin’i Davida ny Tompo,
ka tonga tany aminy izy, dia nanao taminy hoe:
“Nisy olona roa lahy tao amin’ity tanàna anankiray;
ny iray mpanan-karena ary ny iray mahantra.
Omby aman’ondry sesehena no an’ilay mpanan-karena;
fa ondrivavy kely anankiray novidiny no mba an’ilay mahantra.
Nompiany izy ka nitombo tao aminy niaraka tamin’ny zanany,
nihinana tamin’ny mofony,
nisotro tamin’ny kapoakany,
natory teny an-trotroany,
ary nataony toy ny zanany vavy.
Nanam-bahiny kosa ilay mpanan-karena,
nefa tsy nety naka tamin’ny ondriny na ny ombiny izy
hanamboarana sakafo ho an’ilay vahiny tonga tao aminy;
fa ny ondrivavin’ilay mahantra no nalainy sy namboariny,
ho an’ilay olona tonga tao aminy.”
Nirehitra fatratra tamin’izany olona izany ny fahatezeran’i Davida,
ka hoy izy tamin’i Natàna:
“Raha velona koa ny Tompo
dia marina raha tsy mendrika ny hovonoina izay olona nanao izany,
ary ilay ondrivavy honerany efatra heny,
noho izy nahavita an’izany sy tsy nanana antra.”
Dia hoy i Natàna tamin’i Davida:
“Tsy iza fa ianao izany olona izany.
Koa ankehitriny noho ianao nanamavo Ahy,
sy naka ny vadin’i Oria Heteanina, ho vadinao,
dia tsy hiala amin’ny taranakao mandrakizay kosa ny sabatra.
Izao no lazain’ny Tompo:
Indro fa ny ankohonanao,
hananganako ny loza hihatra aminao;
ny vadinao hotsoahiko eo imasonao,
ka homeko ny mifanolo-bodirindrina aminao,
izay handry aminy eo anatrehan’izao masoandro izao;
fa ianao dia mangingina no nanaovanao izany,
ary Izaho kosa dia eo imason’i Israely rehetra
sy anatrehan’izao masoandro izao no hanaovako izany.”
Dia hoy i Davida tamin’i Natàna:
“Nanota tamin’ny Tompo aho.”
Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida:
“Navelan’ny Tompo ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Nefa nampanesoinao ny Tompo ny fahavalony
tamin’izany zavatra nataonao izany
ka noho izany dia ho faty ny zanaka naterakao.”
Dia lasa nankany an-tranony i Natàna.
Ary nasian’ny Tompo ny zaza nateraky ny vadin’i Oria, tamin’i Davida,
ka nandraiki-narary mafy.
Nivavaka tamin’Andriamanitra ho an’ny zaza i Davida
sady nifady hanina;
ary niditra izy ka nandry tamin’ny tany nandritra ny alina.
Ka niangavy mafy taminy ny loholona tao an-tranony,
mba hampiarina azy amin’ny tany;
nefa tsy nety izy, ary tsy niara-nihinana tamin’ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 50, 12-13. 14-15. 16-17
Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.
Fo madio vaovao no angatahiko,
sy fanahy mahatoky tanteraka.
Aza alàna aminao aho, ry Tompoko,
ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko,
dia tolory fanahy tena mendrika.
Ny mpanota hotoroako lalana,
aminao no tsy maintsy hiverenany.
Mba fafao amin’izay ny tomaniko,
hilazako fa Ianao no hany marina.
Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro,
dia hidera tokoa izany vavako.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao; ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)
Iza ity no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomosina?
Tamin’izany andro izany, hariva ny andro,
ary i Jesoa niteny tamin’ny mpianany hoe:
“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano.”
Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao tao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano
hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo amin’ny sisin’ny sambo kely
tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”
Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:
“Mangina, mitonia.”
Dia nitsahatra ny rivotra,
ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”
Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Iza moa io,
fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.