Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 6, 12b-15. 17-19)

Tamin’ny hobin-kafaliana sy feon’anjomara no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’i Israely.

Tamin’izany andro izany:
Niainga nandeha i Davida ka nampiakatra ny fiaran’Andriamanitra
avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida
nombam-panotrona maro niravoravo.
Nony namindra inenina ny mpitondra ny fiaran’ny Tompo,
dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.
Nitsinjaka araka izay tratry ny ainy i Davida teo anatrehan’ny Tompo,
ary nisikina efôda rongony madinika.
Tamin’ny hobin-kafaliana sy ny feon’anjomara
no nampakaran’i Davida sy ny taranak’i Israely rehetra ny fiaran’ny Tompo.
Nony tafiditra ny fiaran’ny Tompo
ka efa voapetraka tamin’ny fitoerany tao afovoan’ny lay
nasain’i Davida natsangana ho azy,
dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pisaorana teo anatrehan’ny Tompo i Davida.
Ary rehefa tapitra naterin’i Davida ny sorona dorana sy sorom-pivavahana
dia nitso-drano ny vahoaka tamin’ny anaran’ny Tompon’ny tafika izy.
Dia samy nomeny mofo mamy iray sy hena iray didy
ary ampembam-boaloboka iray avy ny vahoaka rehetra,
ny olona marobe rehetra amin’i Israely na lahy na vavy.
Ary samy nody tany an-tranony daholo ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 7. 8. 9. 10

Mpanjakan’ny voninahitra iza moa izany?

‘Nareo vavahady: atrakao ny tatao;
‘nareo varararana re, misondrota!
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza àry moa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompo mahery, ny Tompo tsitoha,
ny Tompon’ny tafika mahery an’ady.

‘Nareo vavahady atrakao ny tatao;
‘nareo varavarana re, misondrota.
Satria hiditra eo ny Mpanjaka malaza!

Fa iza tokoa no Mpanjaka malaza?
Ny Tompon’ny tafika mahery an’ady,
ny Tompo no hany Mpanjaka malaza!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aieloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 31-35)

Izay manao ny sitra-pon’Andriamanitra no rahalahiko, anabaviko ary reniko.

Tamin’izany andro izany,
tonga ny renin’i Jesoa sy ny rahalahiny,
nijanona teo alatrano, ka naniraka nampiantso Azy.
Fa nisy olona maro nanodidina Azy,
dia nilazana Izy natao hoe:

“Indreo ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao, mitady Anao.”

Fa novaliany hoe:

“Iza moa no reniko sy rahalahiko?”

Dia nijery izay nipetraka nanodidina Azy Izy ka nanao hoe:

“Ireo no reniko sy rahalahiko;
fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra,
dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...