Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 5, 1-7. 10)

Ianao no hamahana an’i Israely oloko.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Hebrôna amin’i Davida
ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe:

“Indreto izahay fa taolanao sy nofonao ihany izahay.
Hatramin’ny nanjakan’i Saola mpanjaka taminay fahiny aza,
dia tsy iza fa ianao no mitondra an’i Israely nivoaka sy niditra.
Ary ny Tompo nilaza taminao nanao hoe:

Ianao no hamahana an’i Israely oloko, ianao no ho andrian’i Israely.

Ary samy tonga tany amin’ny mpanjaka tany Hebrôna avokoa ny loholon’i Isarely;
ka dia nanao fanekem-pihavanana tamin’izy ireo tany,
teo anatrehan’ny Tompo, i Davida mpanjaka;
ary nanosotra an’i Davida ho mpanjakan’i Israely izy ireo.
Telopolo taona i Davida fony tonga mpanjaka,
ary efapolo taona no andro nanjakany.
Tao Hebrôna izy nanjaka tamin’i Jodà fito taona sy enim-bolana,
ary tao Jerosalema nanjaka tamin’i Jodà sy i Israely rehetra telo amby telopolo taona.
Niainga ny mpanjaka sy ny olony, ho any Jerosalema,
hiady amin’ny Jeboseanina, tompon-tany.
Ary nisy nilaza tamin’i Davida hoe:

“Tsy ho tafiditra atý ianao,
fa ny jamba sy ny mandringa hahasakana anao.”

Izany hoe: tsy ho tafiditra any na oviana na oviana i Davida.
Kanjo afak’i Davida ny toerana mimanda tao Siôna;
ny tanànan’i Davida izany.
Nandroso nihambony hatrany hatrany i Davida,
ary nomba azy ny Tompo Andriamanitry ny tafika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 20. 21-22. 25-26

Ny Fahamarinana sy ny hatsaram-poko hanjohy azy.

Indray andro, niteny tamin-tsindrimandry Ianao,
nanao tamin’ny voafidinao hoe:
Nanandratra olo-mahery iray Aho;
nanambony olom-boafidy tamin’ny vahoaka.

I Davida mpanompoko no sitrako:
ka nohosorako ilo masina.
Ny tanako homba azy;
ny sandriko hankahery.

Ny Fahamarinana sy Hatsaram-poko hanjohy azy;
ny Anarako hanandratra ny tandrony!
Hapetrako eo amin’ny ranomasina ny tanany anila,
ary eo amin’ny ony lehibe ny tanany anila!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 22-30)

Ho rava ny herin’i Satana.

Tamin’izany andro izany,
ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema kosa nanao hoe:

“Efa azon’i Belzeboba Izy,
ary ny filohan’ny demony no androahany ny demony.”

Nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nanaovany fanoharana hoe:

“Hataon’i Satàna ahoana no fandroaka an’i Satana?
Raha misy fanjakana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fanjakana izany;
ary raha misy fianakaviana miady an-trano,
dia tsy haharitra izany fianakaviana izany:
koa raha mitsangan-kanohitra ny tenany àry i Satàna,
ka miady an-trano,
dia tsy maharitra izy fa rava ny heriny.
Tsy misy olona afa-miditra ao an-tranon’ny olo-mahery sy mandroba ny entany,
raha tsy afatony aloha ilay mahery, vao robainy ny ao an-tranony.
Lazaiko marina aminareo fa hahazo famelan-keloka ihany
ny zanak’olombelona amin’ny fahotany rehetra,
sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay itenenany ratsy an’Andriamanitra;
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina
no tsy hahazo famelan-keloka na oviana na oviana,
fa manam-pahotana mandrakizay.
Satria hoy izy ireo hoe: manana fanahy maloto Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...