Vakiteny voalohany

Bokin’i Jônasy Mpaminany (Jônasy 3, 1-5. 10)

Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga tamin’i Jônasy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

“Mitsangàna ianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe,
hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao”.

Dia nitsangana i Jônasy, ka nankany Niniva,
araka ny tenin’ny Tompo.
Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra,
fa lalan-kateloana.
Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy,
ka nitory izy nanao hoe:

“Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva!”

Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva,
ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa,
hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.
Nahita ny nataon’izy ireo,
sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra,
ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra,
ka dia tsy notanterahiny indray izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 24. 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9

Ny lalanao, ry Tompo, ampianaro ahy.
na hoe: Ny teninao, Tompo ô, no faniloko; ny lalanao, ô ry Ray ô, no tianay haleha.

Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ny soritrao ampianaro ahy.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
Ianao no Andriamanitra Vonjiko.

Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao
izay efa hatramin’ny fahagola.
Noho ny fitiavanao, ry Tompo,
hadinoy ny otako fahazaza.

Tsara sy mahitsy ny Tompo;
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
ary ampisehoany ny lalany.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 7, 29-31)

Mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

Ry kristianina havana,
izao no hevitro:
fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao,
aoka ny manambady ho toy ny tsy manana;
ny mitomany ho toy ny tsy mitomany;
ny mifaly ho toy ny tsy mifaly;
ny mividy ho toy ny tsy manana;
ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra;
fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; minoa ny Evanjely.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)

Mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.

Tamin’izany andro izany,
rehefa natao an-tranomaizina i Joany,
dia nankany Galilea i Jesoa
nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ka nanao hoe:

“Tonga ny fotoana,
ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra;
mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely”.

Nony nandalo teny amoron’ny ranomasin’i Galilea Izy,
dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Ary hoy i Jesoa taminy:

“Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo”.

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy.
Nony nandeha kelikely Izy,
dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony.
Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy,
ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambokeliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany,
fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...