Vakiteny voalohany

Boky faharoan’i Samoela (2 Sam. 1, 1-4. 11-12. 19. 23-27)

Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?

Fiantombohan’ny Boky Faharoan’i Samoela.
Nony maty i Saola dia niverina avy nandresy ny Amalesita kosa i Davida
ka nipetraka tao Sikelega.
Tamin’ny andro fahatelo, intý nisy lehilahy anankiray,
avy tany an-toby, avy tany amin’i Saola,
ary ny akanjony rovitra, ny lohany norarahan-tany,
ary nony mby teo amin’i Davida izy
dia nidaboka tamin’ny tany, ka niankohoka.
Hoy i Davida taminy:

“Avy aiza ianao?”

Ary hoy ny navaliny azy:

“Nandositra avy tany an-tobin’i Israely aho.”

Dia hoy i Davida taminy:

“Ka nanao ahoana avy?
Tantarao amiko kely hoe.”

Ary hoy izy:

“Nandositra tamin’ny ady ny vahoaka,
ka be no nitsingidina sy maty tamin’ny vahoaka,
ary maty koa aza i Saola sy i Jônatasy zanany.”

Dia noraisin’i Davida ny fitafiany,
ka norovitiny ary nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
Nanao ny fombam-pisaonana azy izy ireo,
nitomany sy nifady hanina mandra-paharivan’ny andro,
nisaona an’i Saola sy i Jônatasy ary ny olon’ny Tompo sy ny tranon’i Israely,
satria lavon-tsabatra izy ireo.
Ary i Davida niventy izao hira fisaonana izao:

“Moa levona teny amin’ny tamponao va ny famirapiratr’i Israely?
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Malala sy mahatehotia i Saola sy i Jônatasy, fony fahavelony,
ary teo am-pahafatesany dia tsy tafasaraka.
Mailaka noho ny voromahery izy, mahery noho ny liona.
Mitomania an’i Saola, ry zanakavavin’i Israely
fa notafiany jaky tao anatin’ny fahafinaretana ianareo;
noravahany volamena ny fitafianareo!
Ahoana no nahalavoan’ny mahery tany an’ady?
Voagorobaka teo amin’ny havoana i Jônatasy!
Trotraky ny alahelo anao aho, ry Jônatasy rahalahiko!
Fa ianao ihany no fahafinaretako tanteraka,
mamiko noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao.
Ahoana no nahalavoan’ny mahery?
Ahoana no nahafatesan’ny mpiady?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 79, 2-3. 5-7

Ny Tavanao aseho, Tompo; dia ho voavonjy izahay.

Ry Mpiandry an’i Israely mandrenesa,
izay mitondra an’i Jôsefa toy ny ondry.
Ry mipetraka eo ambony kerobima,
efa Anao ny voninahitra, asehoy.
Eo alohan’i Manase sy i Efraima,
dia fohazy ny herinao hamonjy anay.

Rahoviana re ianao vao hitony
tsy ho tezitra amin’ny sisa izay tavela.
Raha ny mofom-pahoriana, dia efa voky,
ranomaso no gohinay hatrizay!
Fa izahay dia nanjary fanaraby,
sy faneson-dry zareo fahavalo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)

Hoy ny havany: Efa very saina Izy.

Tamin’izany andro izany,
niverina nankany an-trano i Jesoa sy ny mpianany,
dia nivory indray ny vahoaka,
ka tsy afa-nihinana akory izy ireo.
Nony nandre izany ny havany dia nivoaka hihazona Azy,
fa hoy izy ireo:

“Efa very saina Izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...