Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 15, 16-23)

Tsara noho ny sorona ny fanekena; koa harian’ny Tompo tsy ho mpanjaka intsony koa ianao.

Tamin’izany andro izany,
hoy i Samoela tamin’i Saola:

“Aoka izay,
fa hambarako anao izao izay nolazain’ny Tompo tamiko halina.”

Dia hoy i Saola taminy:

“Lazao.”

Hoy i Samoela:

“Moa tsy tonga filohan’ny fokon’i Israely ianao
fony ianao mbola kely teo imasonao?
Ary moa tsy nohosoran’ny Tompo ianao ho mpanjaka amin’i Israely?
Nirahin’ny Tompo handeha amin’ny lalana ianao, nataony hoe:
Mandehana, ataovy anatema ireo mpanota ireo, ny Amalesita,
ary miadia aminy, mandra-pandringana azy.
Nahoana itý ianao no tsy nihaino ny feon’ny Tompo,
fa nanao hitsin-dalana tamin’ny babo,
sy nanao izay ratsy eo imason’ny Tompo?”

Dia hoy i Saola tamin’i Samoela:

“Eny tokoa, nihaino ny feon’ny Tompo aho
ary nandeha tamin’ny lalana nanirahan’ny Tompo ahy.
Nentiko i Agaga mpanjakan’i Amaleka ary i Amaleka nataoko anatema.
Ary ny vahoaka naka tamin’ny ondry sy ny omby izay santatry ny anatema
mba hanaovana sorona amin’ny Tompo Andriamanitrao any Galgalà.”

Fa hoy i Samoela:

“Moa sitraky ny Tompo tahaka ny fanekena ny tenin’ny Tompo va
ny sorona dorana sy fanatitra?
Tsara noho ny sorona ny fanekena,
ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy.
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy,
ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà.
Noho ianao nanary ny tenin’ny Tompo,
dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 49, 8-9. 16bd-17. 21 sy 23

Izay mandeha amin’ny marina dia hohetsahiko amin’ny vonjiko.

Tsy ny fanatitrao no ampamoahako anao;
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!
Ahoako inona izay vantotr’omby ao an-tranonao
na izay osilahy ao am-pahitrao?

Ahoana ianao no mitanisa ny Didiko,
sy manao ny Fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra,
sy mpanipy ny Teniko any ivoho.

Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho!
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Aoka horeseko lahatra ianao
sy hamborahako azy eto imasonao!
Izay misorona saotra no hasaiko:
ka hohetsahiko amin’ny vonjiko!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 18-22)

Mbola eo aminy ny mpampakatra.

Tamin’izany andro izany:
fanaon’ny mpianatr’i Joany sy ny Farisianina ny mifady hanina,
ka nisy nanatona nanao taminy hoe:

“Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina,
nefa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo mifady ny naman’ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Raha mbola ao aminy koa ny mpampakatra,
dia tsy mahazo mifady izy;
fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy,
ka amin’izany andro izany vao hifady izy.
Tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao;
fa raha izany dia handrovitra ny tonta ny vaovao
ka hitatra ny rovitra.
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta;
fa raha izany dia ho rovitry ny divay ny siny hoditra,
ka ho very foana ny divay mbamin’ny siny hoditra;
fa raha divay vaovao dia aoka ho ao anaty siny hoditra vaovao koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...