Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 9, 1-4. 17-19 ; 10, 1a)

Io no lehilahy voalazan’ny Tompo antsoina hoe Saola, ary izy no hanjaka amin’ny oloko.

Nisy lehilahy anankiray avy amin’i Benjamina atao hoe i Kisy,
zanak’i Abiela, zanak’i Serora, zanak’i Bekorata, zanak’i Afià,
zanaky ny Benjamita anankiray;
lehilahy mahery fo izy io.
Nanan-janaka anankiray atao hoe i Saola izy,
izay sady mbola tanora no tsara tarehy;
tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny zanak’i Israely rehetra,
ary nanatombo ny lohany izy amin’ny halavany noho ny olona rehetra.
Ary nania ny ampondravavin’i Kisy, rain’i Saola,
ka hoy i Kisy tamin’i Saola zanany:

“Mangalà mpanompo anankiray hiaraka aminao
dia mandehana mitady ny ampondra.”

Dia namaky ny tendrombohitr’i Efraima,
ary namaky ny tany Salisa izy, nefa tsy nahita.
Ary raha vao nahita an’i Saola i Samoela
dia hoy ny Tompo taminy:

“Io no lehilahy voalazako taminao,
izy no hanjaka amin’ny oloko.”

Nanatona an’i Samoela tao am-pamatonan’ny vavahady i Saola nanao hoe:

“Aza mahafady,
mba atoroy ahy kely ny tranon’ny mpahita.”

Dia hoy i Samoela tamin’i Saola:

“Izaho no ilay mpahita,
miakara eo alohako ho any amin’ny fitoerana avo,
fa hiara-mihinana amiko ianareo anio;
rahampitso vao halefako handeha ianao,
ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.”

Nalain’i Samoela ny tavoara nisy diloilo,
naidiny tamin’ny lohan’i Saola,
dia norohany izy, sady nataony hoe:

“Moa tsy nohosoran’ny Tompo ho mpifehy amin’ny lovany va ianao?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 20, 2-3. 4-5. 6-7

Tompo ô, ny Mpanjaka mifaly amin’ny herinao.

Tompo ô, ny Mpanjaka mifaly amin’ny herinao,
sy miravo aoka izany amin’ny Fandresenao!
Izay irin’ny fony omenao
ny vavaky ny molony tsy lavinao.

Tsenainao tso-drano mahasambatra izy;
ny lohany asianao fehiloha volamena.
Ny fiainana angatahiny omenao:
dia andro mitandavana mandrakizay.

Lehibe ny voninahiny noho ny Fandresenao:
fiandrianana sy laza no arakotrao azy!
Ataonao fitso-drano mandrakizay izy,
fenoinao hafaliana eo anoloanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 13-17)

Tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivoaka ho any an-dranomasina,
ka nanatona Azy ny vahoaka rehetra,
dia nampianatra azy Izy.
Raha nandalo Izy,
dia nahita an’i Levi zanak’i Alfe nipetraka tao amin’ny fandraisana hetra,
ka nanao taminy hoe:

“Andeha hanaraka Ahy.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranon-dralehilahy io i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota maro
niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany;
fa maro ireo, ary nanaraka Azy.
Nony nahita Azy niara-nihinana tamin’ny poblikanina sy ny mpanota
ny mpanora-dalàna mbamin’ny Farisianina
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana sy misotro
amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Raha nahare izany i Jesoa, dia nanao taminy hoe:

“Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny marary;
tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...