Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 8, 4. 7. 10-22a)

Hitaraina ianareo noho ny amin’ny mpanjaka nofidinareo, nefa tsy hihaino anareo ny Tompo, satria nangataka mpanjaka ho anareo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
nivory ny loholon’i Israely rehetra nankany amin’i Samoela, tany Ramà,
nanao taminy hoe:

“Ianao itý efa antitra ary ny zanakao tsy manara-dia anao,
koa mpanjaka toy ny an’ny firenena rehetra
no atsangano aminay hitsara anay.”

Tsy sitrak’i Samoela izany teny izany
noho izy ireo nanao hoe:

“Omeo mpanjaka izahay hitsara anay.”

Dia nivavaka tamin’ny Tompo i Samoela;
ary hoy ny Tompo tamin’i Samoela:

“Henoy ny feon’ny vahoaka araka izay rehetra holazainy aminao,
satria tsy mba ianao no ariany fa Izaho no ariany,
dia ny tsy hanjakako aminy intsony.”

Dia nambaran’i Samoela tamin’ny vahoaka nangataka mpanjaka taminy
ny tenin’ny Tompo rehetra, ka hoy izy:

“Izao no fahefana ampiasain’ny mpanjaka, izay hanjaka aminareo.
Ny zanakalahinareo halainy ary hampitaingenany ny kalesiny
sy hataony mpitaingin-tsoavaliny
ary hihazakazaka eo anoloan’ny kalesiny izy ireo.
Hataony mpifehy arivo, mpifehy dimampolo izy;
hampiasainy ny taniny, hampijinjainy ny variny,
hampanaoviny ny fiadiany, mbamin’ny forongon-kalesiny.
Ny zanakavavinareo halainy ho mpanamboatra zava-manitra,
ho mpahandro, ho mpanao mofo.
Ny tanimbarinareo, ny tanim-boalobokareo,
ny fototr’ôlivanareo tsara indrindra dia halainy
ka homeny ny mpanompony.
Ny ampahafolon’ny vokatra aman-tanim-boalobokareo halainy
ka homeny ny tandapa ama-mpanompony.
Ny mpanomponareo na lahy na vavy,
mbamin’ny ombinareo aman’ampondra tsara indrindra
halainy hampanaovina ny asany.
Ny ampahafolon’ny biby fiompinareo halainy,
ary ny tenanareo aza ho mpanompony.
Hitaraina ianareo amin’izany andro izany,
noho ny amin’ny mpanjaka nofidinareo,
nefa tsy hihaino anareo ny Tompo.”

Tsy nety nihaino ny feon’i Samoela akory ny vahoaka, fa hoy izy:

“Tsia, fa aoka ihany izahay mba hana-mpanjaka!
Dia mba ho toy ny firenena koa izahay;
ny mpanjakanay no hitsara anay,
hitari-dalana anay, ary hitari-tafika anay.”

Nony ren’i Samoela ny teny rehetra nataon’ny vahoaka
dia nolazainy indray ho ren’ny Tompo;
ka hoy ny Tompo tamin’i Samoela:

“Henoy ny feony ka manangàna mpanjaka ho azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 88, 16-17. 18-19

Hohiraiko mandrakizay ireo hatsaram-pon’ny Tompo.

Tompo ô, sambatra ilay vahoaka mahay mihoby,
sy mandroso amin’ny hazavan’ny Tavanao,
sy mifaly amin’ny Anaranao tontolo andro,
sy mientana amin’ny Fitiavanao ny rariny.

Satria Ianao no reharehan’ny heriny,
ary ny Fitiavanao no manandratra ny tandrokay!
Eny, ny Tompo no Andrianay;
Ilay Masin’i Israely no Mpanjakanay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 1-12)

Manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia niditra indray tao Kafarnaôma.
Nony re fa hoe tao an-trano Izy,
dia nivory betsaka dia betsaka ny olona,
ka tsy nisy hitoerana intsony na dia hatrany anoloan’ny varavarana aza;
dia nitory teny taminy Izy.
Tamin’izay dia nisy nanatona Azy nitondra lehilahy malemy anankiray,
izay nolanjain’olona efa-dahy.
Tsy afa-nanatona Azy anefa izy ireo noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka dia ny tafon-trano nitoerany no nanesorany;
nony voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana nandrian’ilay malemy.
Ary i Jesoa nony nahita ny finoan’ireo,
dia nanao tamin’ilay malemy hoe:

“Anaka, voavela ny helokao.”

Fa nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo,
ka nanao anakampo hoe:

“Ahoana no itenenan’ilay itý toy izany?
Miteny ratsy an’Andriamanitra lahy Izy.
Iza no mahavela fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?”

Fantatr’i Jesoa tao amin’ny fanahiny niaraka tamin’izay
fa nieritreritra izany tao anatiny izy ireo ka hoy Izy taminy:

“Nahoana ianareo no mihevitra toy izany ao am-ponareo?
Inona no moramora kokoa, ny manao amin’itý malemy itý hoe:
Voavela ny helokao,
sa ny manao hoe:
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary mandehana?
Ary mba ho fantatrareo fa ny Zanak’Olona manam-pahefana etý an-tany hanafaka ny fahotana,
dia izao no lazaiko aminao, (hoy Izy tamin’ilay malemy):
Mitsangàna, batao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.”

Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany,
ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra;
hany ka talanjona izy rehetra
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...