Vakiteny voalohany
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam. 3, 1-10. 19-20)
Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao.
Tamin’izany andro izany:
nanao ny fanompoana tamin’ny Tompo teo anatrehan’i Helî i Samoela kely.
Nahalana ny tenin’ny Tompo tamin’izany andro izany, ary vitsy ny fahitana.
Tamin’izany andro izany nony nandry i Helî teo amin’ny fitoerany,
ary efa nanomboka ho pahina ny masony, ka tsy nahita intsony izy;
ny jiron’Andriamanitra mbola tsy maty,
ary i Samoela nandry tao an-tempolin’ny Tompo
izay nisy ny fiaran’Andriamanitra,
dia nantsoin’ny Tompo i Samoela ka namaly hoe:
“Intý aho!”
sady lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Helî, nanao hoe:
“Intý aho fa niantso ahy ianao.”
Ary hoy i Helî:
“Tsy niantso anao aho, fa miverena mandry.”
Dia lasa izy nandry.
Nantsoin’ny Tompo indray i Samoela ka niarina i Samoela
dia nankany amin’i Helî, nanao hoe:
“Intý, aho fa niantso ahy ianao.”
Namaly i Helî:
“Tsy niantso aho anaka, fa miverena mandry.”
Tsy mbola nahalala ny Tompo i Samoela,
satria tsy mbola nanehoana ny tenin’ny Tompo izy.
Ary nantsoin’ny Tompo fanintelony indray i Samoela
ka niarina, dia nankany amin’i Helî, nanao hoe:
“Intý aho, fa niantso ahy ianao.”
Fantatr’i Helî tamin’izay fa ny Tompo no niantso ny zaza,
ka hoy i Helî tamin’i Samoela:
“Mandehana mandry,
fa raha misy miantso anao, dia valio hoe:
Mitenena, ry Tompo ô,
fa mihaino ny mpanomponao.”
Dia lasa i Samoela nandry tany amin’ny fitoerany.
Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy ny Tompo
ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
Fantatr’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea
fa tena mpaminanin’ny Tompo marina tokoa i Samoela.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 39, 2 sy 5. 7-8a. 8b-9. 10
Intý aho tamy, Tompo, hanao ny sitra-ponao.
Niandry aho ka niandry ny Tompo:
ka niondrehany, nohenoiny talaho.
Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny,
tsy miherika amin’ny rendrareridra sy ankosotra!
Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsia, tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana,
ka hoy aho hoe: Intý aho, tamy!
Voasoratra ao amin’ny Boky ny momba ahy,
ny manao ny sitrakao ry Andriamanitro, no mamiko.
Eny, ato anatin’ny foko ny lalànao.
Torìko ao am-Piangonam-be
ny Fahamarinana.
Fantatrao, ry Tompo:
tsy akomboko ny molotro.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)
Nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany raha nivoaka avy tao amin’ny sinagôga,
dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre.
Ary ny rafozam-bavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy,
ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay.
Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy,
dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy.
Nony hariva efa maty masoandro,
dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony,
ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa.
Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy,
sady nandroaka demony maro,
fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy.
Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy,
dia nivoaka nankany amin’ny tany mangina, ka nivavaka tany.
Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany
ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe:
“Tadiavin’ny olona rehetra Ianao.”
Fa izao no navaliny:
“Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky,
mba hitoriako any koa;
fa izany no nivoahako.”
Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona
sy eran’ny Galilea rehetra,
sady nandroaka ny demony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.