Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 2-14)

Indro nisy toy ny Zanak’alona teny ambony rahon’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
dia niteny i Daniely ka nanao hoe:

“Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho,
ka indro nibosesika tamin’ny ranomasina lehibe ny rivotra avy amin’ny vazantany efatra:
ary niakatra avy ao amin’ny ranomasina ireto biby efatra lehibe samihafa.
Ny voalohany hoatra ny liona, sady nanana ela-boromahery.
Nibanjina teo aho mandra-panongotra ny elany
sy nipaohana azy avy tamin’ny tany sy nampijoroana azy tamin’ny tongony
hoatra ny olona ary nomena fon’olombelona izy.
Dia indro koa biby hafa, dia ny faharoa,
hoatra ny orsa, niainga ny ilatenany,
nisy taolana tehezana telo teny am-bavany, tanelanelan’ny nifiny,
ary izao no nolazaina taminy:

‘Mitsangàna ianao, mihinàna nofo betsaka!’

Manaraka izany, nijery aho, ka indro nisy biby hafa koa,
hoatra ny leôparda, nanana ela-borona efatra teo an-damosiny;
ary nanan-doha efatra izany biby izany,
dia nomena azy ny fanapahana.
Rahefa izany,
nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy biby fahefatra mahatsiravina, mampihoron-koditra,
ary mahery indrindra;
nana-nify vy lehibe izy io, nihinana sy nikepokepoka,
ka ny sisa tsy lany nohoseny tamin’ny tongony;
hafa noho ireo biby rehetra talohany izy, nanan-tandroka folo.
Nodinihiko ireo tandroka,
ka indro nisy tandroka hafa kely nipoitra eo amin’izy ireo,
ary nombotan’io ny telo tamin’ireo tandroka taloha,
ary indro fa nana-maso hoatra ny mason’olona
sy vava nilaza zava-dehibe itý tandroka itý.

Nijery aho, mandra-pametraka ny seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray;
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ny afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery aho tamin’izay noho ny fireondreon’ny teny mihoa-pampana nolazain’ilay tandroka.
Nijery aho mandra-pamono ilay biby,
sy nandevonana ny tenany natao teo amin’ny lelafo.
Ireo biby hafa koa efa nesorina taminy ny fanapahany;
ary noferana ny halavan’ny andro iainany,
mandra-piavin’ny andro amam-potoana.

Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’Olona
tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra;
nandroso Izy nankeo amin’ilay Anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany;
dia nomena Azy ny fanapahana,
sy ny voninahitra amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fanapahana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fanapahany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Dan. 3, 75. 76. 77. 78. 79. 80. 81

Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay Izy.

Isaory ny Tompo, ry tendrombohitra sy havoana;
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo,
ry tendrombohitra sy havoana!
Isaory ny Tompo,
ry zavamaniry rehetra eran-tany.

Isaory ny Tompo,
ry loharano!
Isaory ny Tompo,
ry ranomasina sy ony.

Isaory ny Tompo
ry trozona sy izay mihetsika anaty rano!
Isaory ny Tompo,
ry voron’ny lanitra rehetra!

Isaory ny Tompo,
ry biby fiompy sy bibidian’ny tany!
Ankalazao sy asandrato indrindra mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miandrandrà ka asandrato ny lohanareo, fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 29-33)

Raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo mpianany nanao hoe:

“Jereo ny aviavy sy ny hazo rehetra:
raha vao hitanareo fa manaroka izy,
dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra.
Toy izany koa raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany,
dia fantaro fa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo
fa tsy ho lany itý taranaka itý
ambara-pahatongan’izany rehetra izany.
Ho levona ny lanitra sy ny tany,
fa ny teniko tsy mba ho levona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...