Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 2, 31-45)

Hanangana fanjakana anankiray tsy ho rava mandrakizay Andriamanitra, ary hotorotoroiny ny fanjakana rehetra.

Tamin’izany andro izany,
i Daniely nanao tamin’i Nabokôdônôzôra hoe:

“Nijery ianao, ry mpanjaka ô,
ka indro nisy sariolona lehibe.
Tena makadiry izany sariolona izany,
sady namirapiratra mahagaga;
nijoro teo anatrehanao izy io,
ary mahatsiravina ny fijery azy.
Izany sariolona izany dia volamena tsara ny lohany;
volafotsy ny tratrany aman-tsandriny;
varahina ny kibo amam-peny;
vy ny ranjony,
ary ny tongony kosa vy ny tapany, tanimanga ny tapany.
Mbola mijery eo ianao no indro,
nisy vato niendaka tsy nokasihin-tanana,
namely itý sariolona tamin’ny tongony vy aman-tanimanga,
ka nahatorotoro azy.
Dia indray torotoro ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy mbamin’ny volamena,
sady nanary toy ny akofa manidina eo am-pamoloana amin’ny fahavaratra,
ka nopaohin’ny rivotra izany, lasa tsy hita izay nanjavonany;
ary ilay vato namely ny sariolona kosa,
zary tendrombohitra lehibe nameno ny tany rehetra.
Izany no nofy;
ary holazainay eto anatrehan’ny mpanjaka koa ny heviny.

Ianao, ry mpanjaka ô, mpanjakan’ny mpanjaka,
izay nomen’Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana,
ny fahefana, ny hery amam-boninahitra,
sy notolorany ny zanak’olombelona amam-biby any an-tsaha sy ny voron’ny lanitra,
na aiza na aiza itoerany,
ary nasainy nanjaka tamin’izy rehetra,
dia ianao no loha volamena.
Manarakaraka anao,
hisy fanjakana hafa hitsangana, ho ambany noho ianao;
manaraka izany,
hisy fanjakana fahatelo, ho varahina,
izay hanam-pahefana amin’ny tany rehetra.
Dia hisy fanjakana fahefatra koa ho mafy toy ny vy;
fa toy ny vy manamongo sy manorotoro ny zavatra rehetra,
toy ny fanorotoron’ny vy ny zavatra rehetra,
no hanamongoany sy hanorotoroany an’ireo rehetra ireo.
Ny nahitanao ny tongotra aman-drantsan-tongony,
ho tanimangan’ny mpanefy tanimanga ny tapany ary vy ny tapany,
dia satria ho fanjakana mizarazara izy;
hisy herim-by ao aminy, araka ny nahitanao ny vy niharo tanimanga.
Nefa noho ny rantsan-tongony, vy ny tapany, tanimanga ny tapany,
dia ho fanjakana ho mafy ila sy malemy ila izy.
Ny nahitanao ny vy miharo tanimanga
dia satria ho fifangaroan’ny taranak’olombelona, izy;
nefa toy ny tsy fetezan’ny vy hiharo amin’ny tanimanga
no tsy hifampitambarany.

Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo,
ny Andriamanitry ny lanitra hanangana fanjakana anankiray
tsy ho rava mandrakizay ary tsy hafindra amin’ny firenen-kafa ny fifehezany;
ireo fanjakana rehetra ireo hotorotoroiny sy hofoanany,
fa izy kosa haharitra mandrakizay,
araka ny nahitanao ilay vato niendaka, tsy nokasihin-tanana,
tamin’ny tendrombohitra,
ka nahatorotoro ny vy, ny varahina, ny tanimanga, ny volafotsy mbamin’ny volamena!
Ny Andriamanitra lehibe no nampahafantatra ny mpanjaka
izay ho avy rahatrizay;
marina ny nofy, ary tsy misy isalasalana ny heviny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 57. 58. 59. 60. 61

Derao sy ankalazao mandrakizay Izy.

Isaorinareo rehetra ny Tompo, ry asan’ny Tompo,
derao Izy ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry anjelin’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry lanitra,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry rano, mbamin’izay rehetra eny ambonin’ny lanitra;
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Isaory ny Tompo, ry fahefan’ny Tompo,
derao Izy, ary ankalazao mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)

Tsy havela hisy vato mifanongoa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara
sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe:

“Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo,
ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.”

Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe:

“Ry Mpampianatra,
rahoviana no ho tonga izany,
ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?”

Ka hoy i Jesoa hoe:

“Tandremo sao ho voafitaka ianareo,
fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe:

‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’,

fa aza manaraka azy.
Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra:
fa tsy maintsy ho tonga aloha izany,
nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany.”

Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo:

“Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena,
sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana,
hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana
ary mosary amin’ny tany samihafa;
eny an-danitra koa,
dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...