Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 1, 1-6. 8-20)

Tsy nahita tahaka an-dry Daniely sy Ananiasa, ary Misaely sy Azariasa izy ireo.

Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
dia tonga i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna
hamely an’i Jerosalema, ka nanao fahirano azy.
Natolotry ny Tompo, ho an-tanany i Jôakima, mpanjakan’i Jodà,
mbamin’ny fanaka sasany tao an-tranon’Andriamanitra,
ka nentiny ireny, ho any amin’ny tany Sennaara,
ao amin’ny tranon’ny andriamaniny,
sady napetrany tao amin’ny firaketan’andriamaniny ny fanaka.

Nanome teny an’i Asfeneza, lehiben’ny eonokany ny mpanjaka,
hitondra ny sasantsasany amin’ny zanak’i Israely
izay isan’ny taranak’andriana, na izay avo razana,
ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany,
nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara,
hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka,
sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeanina.
Natokan’ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan’andro,
amin’ny hanin’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony,
mba hitoerany eo anatrehan’ny mpanjaka,
rahefa nobiazina telo taona izy ireo.
Anisan’ireo i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa,
avy amin’ny taranak’i Jodà.

Tapa-kevitra tao am-pony i Daniely
fa tsy handoto tena amin’ny hanim-pihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony;
ka nangataka tamin’ny lehiben’ny eonoka izy
mba tsy hanery azy handoto tena.
Ary nataon’Andriamanitra nahita fitia tamin’ny lehiben’ny eonoka i Daniely.
Hoy ny lehiben’ny eonoka tamin’i Daniely:

“Matahotra ny mpanjaka tompoko aho,
fa ny tenany no niandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo;
ka ahoana moa raha hahita ny tarehinareo mahia
noho ny an’ireo zatovo mitovy taona aminareo?
Hanao izay hanapahan’ny mpanjaka ny lohako ianareo izany.”

Dia hoy i Daniely tamin’ny mpikarakara sakafo
notendren’ny lehiben’ny eonoka hikarakara an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely sy i Azariasa:

“Masìna ianao,
manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanomponao,
hanin-kotrana hohanina sy rano hosotroina omena anay.
Ka rahefa afaka izany,
samy hojerenao ny tarehinay sy ny an’ireo zatovo mihinana amin’ny hanin’ny mpanjaka,
dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao.”

Nekeny ny hatak’izy ireo,
ka nizaha toetra azy izy hafoloana.
Nony tapitra ny hafoloana,
dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra
nihinana tamin’ny hanin’ny mpanjaka.
Ka dia tsy nentin’ilay mpikarakara sakafo
ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroiny,
fa hanin-kotrana no nomeny azy.

Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy,
samy nomen’Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana
momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra;
ary i Daniely nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra.
Nony tonga ny fotoana voatendrin’ny mpanjaka hampidirana azy rehetra,
dia nentin’ny lehiben’ny eonoka ho eo anatrehan’i Nabokôdônôzôra izy ireo.
Niresaka tamin’izy rehetra ny mpanjaka,
ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa,
ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo.
Tamin’ny zavatra rehetra ilam-pahalalana nanontanian’ny mpanjaka azy ireo,
dia hitany fa nanan-tombo impolo heny
noho ny an’ny mpahay taratasy ama-mpisikidy rehetra,
teo amin’ny fanjakany manontolo,
ny fahambonian’izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56

Mendrika hoderaina sy homem-boninahitra mandrakizay Ianao.

Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny Razana:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana ny Anaranao,
fa masina, be voninahitra:
ka mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao.
Mahatsinjo ny halalin’ny hantsana:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay!

Isaorana indrindra Ianao.
Mipetraka ambony Kerobima:
fa mendrika dera sy laza.
Isaorana mandrakizay.

Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)

Nahita mpitondratena mahantra nanatitra farantsa kely varahina roa tao Izy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena
nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra.
Dia nahita mpitondra tena anankiray
nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy,
ka nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io
no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra;
satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany
ho an’Andriamanitra,
fa io kosa,
dia tamin’ny fahantrany indrindra izy
no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...