Vakiteny voalohany

Boky voalohan’i Makabeo (1 Makab. 4, 36-37. 52-59)

Nitokanana ny ôtely, ary an-kafaliana no nanaterana ny sorona dorana.

Tamin’izany andro izany,
hoy i Jodasa sy ireo rahalahiny:

“Efa resy itý ny fahavalontsika,
ka ndeha amin’izao hiakatra hanadio ny tempoly sy hitokana azy indray.”

Dia nivory ny tafika manontolo,
ka niakatra ho any an-tendrombohitra Siôna.
Dia nifoha maraina koa izy,
tamin’ny andro fahadimy amby roapolon’ny volana fahasivy,
izay volana atao hoe Kasleo,
tamin’ny taona fahavalo amby efapolo amby zato,
ka nanatitra sorona,
araka ny lalàna teo ambonin’ny ôtelin-tsorona dorana vaovao izay narafiny.

Tamin’ny volana sy ny andro nandotoan’ny firenena ny ôtely indrindra
no nanamasinana azy indray, tamin’ny hiran’ny salamo,
sy tamin’ny feon’ny harpa aman-dokanga sy kipantsona.
Indray nihohoka ny vahoaka dia nitsaoka sy niandrandra ny lanitra,
nisaotra an’Ilay nanambina azy.
Naharitra valo andro no nanaovany ny fitokanana ny ôtely,
ary an-kafaliana no nanaterany ny sorona dorana
sy ny sorom-pisaorana amam-piderana.
Noravahany fehiloha aman’ampinga be renty ny anoloan’ny tempoly,
namboariny koa ny fidirana amin’ny tempoly sy ny efi-trano
sady nasiany varavarana.
Nisy fifaliana lehibe indrindra teo amin’ny vahoaka
ka afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny firenena.
Ary i Jodasa nifanara-kevitra tamin’ireo rahalahiny
mbamin’ny fiangonan’i Israely rehetra,
dia nandidy ny hankalazana ireo andro nitokanana ny ôtely,
amim-pifaliana sy firavoravoana mandritra ny havaloana isan-taona
miantomboka amin’ny fahadimy amby roapolon’ny volana Kasleo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: 1 Tant. 29, 10-11a. 11bde. 12

Midera ny Anaranao be voninahitra izahay, ry Tompo.

Isaorana ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay:
hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
Anao, ry Tompo, ny halehibiazana sy hery,
sy hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.

Anao ny zava-drehetra:
na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
Anao, ry Tompo, ny fanjakana,
sy ny fisandratana ho lohan’ny zava-drehetra!

Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao!
Ianao no mifehy ny zava-drehetra!
An-tananao ny hery sy ny tanjaka!
Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleioia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)

Ataonareo zohin’ny mpangalatra ny tranon’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
niditra tao an-tempoly i Jesoa,
dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao,
ka nanao taminy hoe:

“Efa voasoratra,
fa ny tranoko dia trano fivavahana,
nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra.”

Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy;
fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa
nitady hahafaty Azy;
nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany,
satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...