Vakiteny voalohany

Boky Faharoan’i Makabeo (Makabeo 6, 18-31)

Ohatra ambony no havelako raha hiatrika ny fahafatesana amin-kerim-po noho ny lalàna mendrika hohajaina aho.

Tamin’izany andro izany,
i Eleazara iray amin’ireo mpampiana-dalàna ambony,
izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrik’andriana indrindra,
dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kena kisoa.
Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka;
naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo ho any amin’ny fampijaliana izy;
toy ny tsy maintsy androsoan’izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina,
noho ny fitiavana ny aina.
Nifankahazo tamin’i Eleazara hatra ny ela kosa
ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany,
ka nalainy mangingina izy,
novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin’ny tenany ihany
ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian’ny mpanjaka;
satria rahefa vitany izany, dia ho afaka amin’ny fahafatesana izy,
ka hahita soa amin’ny famindram-po ataon’izy ireo
noho ny fisakaizany taminy efa ela be.
Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena,
araka izay nety, ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin’ny fahanterany,
ampian’ny volony fotsy be voninahitra sy toe-piainana mendrika indrindra
narahiny hatramin’ny fahazazana,
ary indrindra ny lalàna masina naorin’Andriamanitra mihitsy;
ka noho izany ny handefasana azy haingana any amin’ny fonenan’ny maty, no navaliny.

Hoy izy:

“Tsy mety tokoa,
raha olona be taona toa anay izao no hoe manafin-kevitra;
fandrao dia heverin’ny zatovo maro
fa nanaraka ny fombam-pirenen-kafa tokoa i Eleazara nony efa sivifolo taona.
Amin’izany izy ireo,
noho ny fanafenako hevitra,
sy noho ny sisam-piaina-mandalo, dia ho diso lalana;
ka ho voatototra henatra amam-pahafaham-baraka ny fahanterako.
Ary na ho afaka amin’ny sazin’olombelona fe ankehitriny aza aho;
tsy ho afa-mandositra ny tanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra,
na velona aho na maty.
Noho izany,
raha amin-kerim-po no handaozako itý fiainana itý ankehitriny,
dia hiseho ho mendrika ny fahanterako ahay,
ary ohatra ambony no havelako harahin’ny tanora
amin’ny fahafatesana antsitrapo sy amin-kerim-po
noho ny lalàna mendrika hohajaina sy masina.”

Vao avy niteny izany izy,
dia nizotra nankao amin’ny fiasana famonoana.
Noheverin’izay nitondra azy hankeny ho hadalàna ny teny vao notononiny,
ka novany ho halozana ny fitiavany azy vao nasehony taminy teo.

Nony efa ho fatin’ny kapoka izy, dia nisento nanao hoe:

“Ny Tompo manana ny fahalalana masina
no mahita fa rahefa afa-mandositra ny fahafatesana ihany aho,
dia miaritra fampijalijaliana mafy amin’ny nofoko asiana ny langilangy,
fa amin’ny fanahiko kosa,
mandefitra izany an-kafaliana noho ny fanajako azy.”

Toy izany no namoizany ny aina
ka ny fahafatesany nataony tonga oha-kerim-po
sy tsangam-baton’ny hatsaram-panahy,
tsy ho an’ny tanora ihany,
fa ho an’ny vahoaka rehetra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7

Manohana ahy ny Tompo.

Tompo ô! drey itý hamaroan’ny rafiko
sy ireo mitsangan-kanohitra ahy,
sy ireo mikendry ny aiko:
fa tsy vonjen’Andriamanitra, hono, aho!

Kanjo Ianao, ry Tompo, no Mpanao soa ahy.
Voninahitro, Mpanatràka ny lohako!
Izaho niantso ka niantso ny Tompo:
Izy nanoina tany am-Bohiny Masina!

Izaho mandry, dia matory, dia mifoha:
fa ny Tompo manohana ahy!
Tsy atahorako izay vahoaka alinalina
manemitra ahy hatraiza hatraiza!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)

Hitady sy hamonjy ny very no nahatogavan’ny Zanak’olona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa,
rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna.
Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake,
lehiben’ny poblikanina sady mpanan-karena,
nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy,
fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona,
satria fohy izy.
Koa nihazakazaka nialoha izy,
dia nianika amontana anankiray hitazana Azy,
fa eo no handalovany.
Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy,
ary nanao taminy hoe:

“Ry Zake, midina haingana,
fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio.”

Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana.
Ary nony nahita izany ny olona,
dia nimonomonona nanao hoe:

“Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.”

Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe:

“Tompoko,
indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra,
ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny
dia honerako inefatra hoatra azy.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Tonga amin’itý trano itý androany ny famonjena,
satria zanak’i Abrahama koa itý lehilahy itý,
fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...