Vakiteny voalohany
Boky Fahendrena (Fahendrena 18, 14-16 ; 19, 6-9)
Nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena, ary nifaly toy ny zanak’ondry mifalihavanja izy ireo.
Tamin’izay,
raha ilay saron’ny fahanginana lehibe ny tany tontolo,
ka nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny,
dia niezaka avy any an-tampon’ny lanitra
ny Teninao mahefa ny zavatra rehetra
toy ny mpiady tsy azo ifonana,
avy any amin’ny seza fiandrianany,
nankeo afovoan’ilay tany voatolotra ho amin’ny fandringanana;
nitondra ny didinao tsy azo ovana,
toy ny sabatra maranitra;
dia teo izy nameno maty hatraiza hatraiza,
nahatakatra ny lanitra ka nijoro tamin’ny tany.
Niova toetra avokoa ny zava-boaary manontolo,
nanaraka ny didy manokana nomena azy,
mba ho voatahiry tsy ho azon’ny loza na inona na inona ny zanakao.
Koa nisy rahona hita nanaloka ny toby tamin’ny alony;
niseho teo amin’izay nisy rano taloha, ny tany;
nisy lalana malalaka tao amin’ny Ranomasina Mena,
ary niova ho tanimbolin-java-maitso,
ny rano be nisamboaravoara.
Nandalo teo izy ireo,
firenena iray manontolo, voaaron’ny tananao,
nanatri-maso zava-mahagaga, mahatalanjona,
toy ny soavaly eny an-tanim-bilona,
toy ny zanak’ondry mifalihavanja,
nankalaza Anao izy ireo, ry Tompo,
Ianao Mpanafaka azy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 104, 2-3. 36-37. 42-43
Tsarovy ny asa mahagaga nataon’ny Tompo.
Hirao Izy! Antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga!
Ireharehao ny Anarany masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!
Dia nokapohiny ny lahimatoa, tamin’ny taniny:
ny santatry ny herin-dahiny rehetra.
Dia navoakany tamim-bolafotsy sy volamena ny vahoakany;
tsy nisy tamin’ny fokony izay hoe narisarisa.
Eny, tsaroany ny teniny masina
tamin’i Abrahama mpanompony:
ka dia navoakany ny olony, ka niravo;
sy ireo voafidiny, ka nihoby.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 1-8)
Andriamanitra hanome rariny ny olom-pinidiny mitaraina aminy.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany
momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana.
Hoy Izy:
“Tany amin’ny tanàna anankiray
nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra
sy tsy mena-maso olona.
Ary tao amin’izany tanàna izany koa,
dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe:‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’;
fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy.
Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo:‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho
sy tsy mena-maso olona,
dia manahirana ahy itý mpitondratena itý,
ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva
hanorisory ahy.’Ary henoy, hoy ny Tompo,
izay lazain’ilay mpitsara tsy marina,
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny
izay mitaraina aminy andro aman’alina,
ary tsy halaky hamonjy azy?
Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo.
Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona,
moa mba hahita finoana etý ambonin’ny tany Izy?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.