Vakiteny voalohany

Bokin’ny Fahendrena (Fahendrena 13, 1-9)

Raha nahazo fahalalana an’izao tontolo izao izy, ahoana no tsy nahalalany moramora kokoa ny Andriamanitra nanao azy?

Tena toetra adala ny an’ny olona rehetra tsy nahalala an’Andriamanitra,
ka ny soa hita maso tsy nahaizany hahalala an’Ilay Misy ho azy,
ary ny fandinihana ny asa nataony tsy nahaizany hahafantatra an’Ilay Mpanao azy.
Fa ny afo, ny rivotra, ny aera mihetsiketsika,
ny fanilon’ny lanitra, ny faribolan’ny kintana, ny rano mirimorimo,
no nataony ho andriamanitra mitondra izao rehetra izao.
Raha renoky ny hatsaran-tarehin’ireo izy
ka nanao ny zava-boaary ho andriamanitra,
dia aoka ho fantany fa mihoatra lavitra noho ireny ny Tompo,
fa ny Mpamorona ny hatsaran-tarehy no nanao an’ireny.
Ary raha ny hery sy ny vokatra avy aminy no igagany,
aoka ho fantany amin’izany ny halehiben’ny fahefan’izay nanao an’ireny.
Satria ny fahamboniana sy ny hatsaran-tarehin’ny zava-boaary,
dia mampahafantatra Ilay Mpahary azy noho ny fifanahafan’izy roa tonta.

Nahazo tsiny kely anefa izy ireo,
satria naniasia ihany angamba izy,
tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra amam-paniriany hahita Azy.
Mandinika ny asany izy ireo,
ka izany no fototry ny fikarokarohany,
ary matoky foana ny fisehoan-javatra
fa aoka izany ny hatsaran-tarehin’izay hitany.
Amin’izany anefa,
tsy afa-tsiny kosa izy ireo,
satria, raha nahazo fahalalana ampy izy,
mba hahalalany an’izao tontolo izao,
dia ahoana kosa no tsy nahalalany moramora kokoa ny Tompo?

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 18, 2-3. 4. 5

Ny lanitra mitanisa ny voninahitr’Andriamanitra.

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra.
Ny asany kosa torìn’ny habakabaka,
ny andro milaza amin’ny andro manaraka,
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany,
tsy feo mba manako horenesin’ny sofina:
kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)

Toy izany koa no hiseho amin’ny andron’ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe
no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona:
nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy,
mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,
dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta:
nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra,
ary namboly sy nanao trano;
fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa,
nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra.
Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona.

Amin’izany andro izany,
izay any ambony tafon-trano
aoka tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony;
toy izany koa, izay any an-tsaha,
aoka tsy hiverina haka izay nilaozany.
Tsarovy ny vadin’i Lôta!
Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy,
fa izay hahafoy azy no hamonjy azy.
Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany,
amin’ny olona roa lahy miray fandriana,
ny iray horaisina ary ny iray havela;
amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarinina,
ny iray horaisina ary ny iray havela;
ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha,
ny iray horaisina ary ny iray havela.”

Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:

“Ho aiza Tompoko?”

Ary hoy Izy taminy:

“Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...