Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 7, 22 — 8, 1)

Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay ny fahendrena ary fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina.

Ao amin’ny Fahendrena dia misy fanahy manan-tsaina,
masina, tokana, maro asa,
tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka,
tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly,
tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona,
manao soa, tsara fo ho an’ny olombelona,
tsy manam-piovana, matoky, miadana,
mahefa ny zavatra rehetra,
mitandrina ny zavatra rehetra,
maninteraka ny fanahy rehetra,
ny manan-tsaina, ny madio,
ary ny faran’izay maranitra indrindra.
Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny Fahendrena,
maninteraka sy misisika amin’ny zavatra rehetra izy,
noho ny hadiovany.

Fofon’ain’ny herin’Andriamanitra izy,
zavatra avy amin’ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany,
ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana.
Famirapiratan’ny fahazavana mandrakizay izy,
fitaratry ny fahefan’Andriamanitra tsy misy pentina,
ary endriky ny hatsaram-pony.

Tokana izy dia mahefa ny zavatra rehetra;
tsy miova izy, dia manavao ny zavatra rehetra,
mirotsaka amin’ny fanahy izay masina rehetra
amin’ny taona mifandimby,
ka mahatonga azy ho sakaizan’Andriamanitra
sy ho mpaminany.
Fa tsy misy tian’Andriamanitra
afa-tsy izay miara-monina amin’ny fahendrena.
Satria tsara tarehy noho ny masoandro izy,
sy noho ny filantoan’ny kintana.
Raha ampitahaina aminy ny mazava,
mbola ihoarany;
satria ny mazava, dimbiasan’ny alina;
fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny Fahendrena.

Ny Fahendrena mahatratra amim-pahefana
ny fara vazan-tany hatramin’ny ilany iray
ka hatramin’ny ilany iray hafa,
ary mandamina ny zavatra rehetra amin-kalemem-panahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 89. 90. 91. 130. 135. 175

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo.

Mandrakizay ny teninao, ry Tompo:
eny, mateza toy ny lanitra.
Amin’ny taona mifandimby ny fahamarinanao,
tsara fijoro toy ny tany izay naorinao.

Noho ny fitsaranao, dia maharitra mandraka androany
ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Vavahady mazava ny teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra!

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao;
ampianaro ahy ny fitsaranao!
Veloma anie ny aiko hiderako Anao!
Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)

Indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanontanian’ny Farisianina
izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra,
ka namaly hoe:

“Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra,
ary tsy hataon’ny olona hoe:

Indro atý na arý izy;

fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.”

Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany:

“Ho avy ny andro hanirianareo hahita
ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona,
fa tsy hahita ianareo.
Hilazan’ny olona ianareo fa hoe:

Indro erý, na indro etý;

nefa aza mankany ianareo,
na manaraka izany akory.
Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra
miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray
ka hatrany amin’ny lafiny hafa,
dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona
amin’ny androny.
Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy
sy holavin’itý taranaka itý.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...