Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 6, 1-11)

Mihainoa, ry mpanjaka, mba hianaranareo ny fahendrena.

Mihainoa, ry mpanjaka, ary mamantara;
mihainoa ny fampianarana,
ianareo mitsara hatramin’ny faran’ny tany.
Mampandria sofina,
ianareo mpifehy ny sarambabem-bahoaka...
ianareo mirehareha amin’ny fifehezanareo vahoaka be.
Fantaro fa ny Tompo no nanome anareo ny hery,
ary ny Avo indrindra no nanome anareo ny fahefana,
dia Izy no handinika ny asanareo,
sy hizaha toetra ny hevitrareo.
Noho ianareo izay mpanao raharaha amin’ny fanjakany
tsy mbola nitsara ara-drariny,
na nitandrina ny lalàna,
na nandeha araka ny sitrapon’Andriamanitra;
dia hiantefa aminareo Izy,
mahatsiravina sy tampoka
fa fitsarana mafy no hatao amin’izay mandidy.
Ny madinika,
avela heloka amim-pamindram-po,
fa ny manam-pahefana kosa
faizina mafy.
Tsy misy olona hihemoran’Ilay Mpanjakan’ny olona rehetra,
ary tsy misy olona ambony hiatoany amin-kenamaso;
fa samy noarìny ny lehibe sy ny kely,
ary samy ahìny na ireto na iretsy.
Nefa ny manam-pahefana hanaovana fitsapana mafy.
Koa dia ianareo no hitenenako, ry mpanjaka,
mba hianaranareo ny fahendrena,
ka tsy ho lavo ianareo.
Izay mitandrina ny lalàna masina, amim-pahamasinana,
hohamarinina;
ary izay mianatra azy hanan-kavaly.
Koa aoka hankamamìnareo ny teniko;
aoka haniry azy ianareo dia hahazo fampianarana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 81, 3-4. 6-7

Mitsangàna, ry Andriamanitra, hitsara ny tany.

Omeo rariny ny malahelo sy ny kamboty;
omeo hitsiny ny tsy manana sy ny ory!
Afaho ny malahelo sy ny mahantra
ka esory amin’ny tanan’ny olon-dratsy!
Andriamanitra ianareo, hoy Aho fahiny, sy zanak’Ilay Avo avokoa!
Aoka, fa ho faty toy ny olombelona ihany ianareo,
sy ho lavo tahaka ny nofo rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)

Ny vahiny indray itý no hany niverina hankalaza ny voninahitr’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany
nony nandeha ho any Jerosalema i Jesoa,
dia nanara-tsisina an’i Samaria sy Galilea.
Ary raha niditra tao amin’ny vohitra anankiray Izy,
dia nifanena tamin’ny boka folo lahy
izay nijanona teny lavidavitra teny.
Dia niantso izy ireo ka nanao hoe:

“Ry Jesoa Mpampianatra ô,
mamindrà fo aminay.”

Vantany vao nahita azy ireo Izy, dia nanao hoe:

“Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona”;

ka nony nandeha ho any izy ireo
dia sitrana teny am-pandehanana.
Ary ny anankiray tamin’ireny,
rahefa nahita fa sitrana izy,
dia niverina ka nankalaza an’Andriamanitra
tamin’ny feo mahery.
Niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa izy,
dia nisaotra Azy;
ary Samaritanina izy io.
Dia niteny i Jesoa ka nanao hoe:

“Moa tsy folo lahy va no nadio?
Ka nankaiza àry ny sivy?
Ny vahiny indray itý no hany niverina tamin’izy ireny
mba hankalaza an’Andriamanitra?”

Dia hoy Izy taminy:

“Mitsangana, ary mandehana,
fa ny finoanao no nahavonjy anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...