Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fahendrena 2, 23 — 3, 9)

Hoatra ny maty izy, araka ny fiheveran’ny adala azy, kanjo ao anatin’ny fiadanana.

Noarìn’Andriamanitra ho tsy mety maty ny olombelona,
ary nataony mitovy tarehy amin’ny tenany;
fa ny fialonan’ny demony
no nidiran’ny fahafatesana amin’izao tontolo izao,
dia hanandrana izany ry zareo izay azy.
Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny marina,
ka tsy mahatratra azy ny fijaliana.
Hoatra ny maty izy,
araka ny fiheveran’ny adala azy,
ary hoatra ny loza ny fialany amin’izao fiainana izao,
ary toa fahalevonana ny fandehany avy eo afovoantsika;
kanjo ao anatin’ny fiadanana izy.
Na dia niharan-tsazy aza izy, eo imason’ny olombelona,
ny fanantenany kosa henika ny tsy fetezana ho faty.
Rahefa afaka ny fijaliana maivana foana,
dia handray valisoa lehibe izy:
fa efa nozahan’Andriamanitra toetra izy,
ka hitany ho mendrika Azy.
Notsapainy toy ny volamena atao anaty memy izy,
ka nankasitrahany,
toy ny sorona dorana lavorary.
Amin’ny andro hamalian-tsoa azy,
hamirapiratra izy ireo;
tahaka ny kilalaon’afo hivoivoy haingana amin’ny bozaka.
Hitsara ny firenena sy hanapaka ny vahoaka izy;
ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.
Izy ireo niantehitra taminy ka hahafantatra ny marina;
hiara-monina aminy amim-pitiavana, ny miraiki-po aminy,
satria ho an’ny olom-pinidiny ny fahasoavana amam-pamindram-po.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 2-3. 16-17. 18-19

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko;
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ny mason’ny Tompo amin’ny olo-marina;
ny sofiny amin’ny tolokon’ireo.
Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.

Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo:
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.
Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Ran’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 7-10)

Mpanompo tsy mahasoa izahay, fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:

“Iza moa aminareo no manana mpanompo
miasa tany na miandry ondry avy any an-tsaha
no mba hilaza aminy hoe:

‘Metia faingana, ary mipetraha hihinana?’

Moa tsy izao aza no holazainy aminy:

‘Amboary ny sakafoko,
ary misikina hampihinana ahy
mandra-pitsahatro avy mihinana sy misotro,
fa rahefa izany vao hihinana sy hisotro ianao?’

Ary moa misaotra izany mpanompo izany akory va izy,
satria nanao izay nasainy nataony io?
Ataoko fa tsy izany.
Koa tahaka izany koa ianareo:
rahefa vitanareo izay nandidiana anareo,
dia lazao hoe:

‘Mpanompo tsy mahasoa izahay,
fa izay tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...