Vakiteny voalohany

Boky Fahendrena (Fah. 6, 12-16)

Mitsena ireo mitady azy ny Fahendrana.

Ny Fahendrena dia mamirapiratra,
tsy mety matroka hatsarana;
mora mahita azy ny olona raha tia azy izy,
ary mora mahazo azy raha mitady.
Mitsena an’izay mitady azy izy,
ary miseho aminy voalohany.
Izay mifoha maraina koa hitady azy,
tsy mananosarotra,
fa mahita azy mipetraka eo am-baravarany.
Satria ny mihevitra azy dia efa fahamalinana lavorary,
ary ny miari-tory noho ny aminy,
dia ho afaka ahiahy vetivety;
mandeha mivezivezy atsy amin’ary izy
mitady an’izay mendrika azy,
miseho amin’ireny eny an-dalan’izy ireo izy amim-pihavanana,
ary manampy azy amin’ny hevitra kasainy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 62, 2. 3-4. 5-6. 7-8

Mangetaheta Anao ny fanahiko, ry Tompo Andriamanitra ô.

Andriamanitra ô, Ianao no Andriamanitro!
Vao maraina aho maniry Anao,
mangetaheta Anao ny fanahiko,
matimaty Anao ny nofoko:
toy ny tany maina sy mangentana,
toy ny tany haraka, mila rano!

Tao an-toeranao masina no nahitako Anao;
tao aho nibanjina ny herinao sy ny voninahitrao:
ka ny molotro nidera Anao,
fa ny fitiavanao, tsara noho ny aina!

Eny, hisaotra aho raha mbola velona;
ny Anaranao hanandratako tanana:
ka ny fanahy ho heni-tsoa,
ny molotra hihoby, ny vava hidera.

Izaho mahatsiahy Anao eo am-pandriana,
tontolo alina mihevitra Anao:
fa notsenainao ny vonjinao aho,
ka mibitaka alofan’ny elatrao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.

Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’Arkanjely ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny Tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
raha efa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka,
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-14)

Hitondra ireo efa nody mandry miaraka aminy Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleioia.

Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)

Inty tamy ny mpampakatra ka mandehana mitsena azy ianareo.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virjiny folo
izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala, fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra,
dia samy rendremana izy rehetra ka natory.
Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:

‘Inty tamy ny mpampakatra,
mandehana mitsena azy ianareo’.

Tamin’izay dia niarina ireo virjiny rehetra ireo
ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:

‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay,
fa efa ho faty ny jironay’.

Hoy ny navalin’ny hendry azy:

‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo,
ka mividiana ho anareo’.

Ary raha mbola nandeha nividy izy,
dia tonga ny mpampakatra,
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely,
dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:

‘Tompoko, tompoko, vohay izahay’.

Fa hoy ny navaliny azy:

‘Lazaiko marina aminareo fa tsy fantatro akory ianareo’.

Koa miambena ianareo,
fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...