Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 16, 3-9. 16. 22-27)

Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina.

Ry kristianina havana,
veloma any amin’i Priska sy Akilasy
mpiara-miasa amiko ao amin’i Jesoa Kristy;
nanao vy very hamonjy ny aiko izy mivady ireo,
ka tsy izaho irery no misaotra azy,
fa ny Eglizy rehetra any amin’ny jentily koa,
ary veloma any amin’ny Eglizy rehetra izay ao an-tranony.
Veloma any amin’i Epeneto malalako,
izay santatr’i Asia ho an’i Kristy.
Veloma any amin’i Maria, izay niasa mafy ho anareo.
Veloma any amin’i Andrôniky sy Joniasa havako
sy niara-nifatotra tamiko,
izay sady tsara laza amin’ny Apôstôly
no tao amin’i Kristy talohako aza.
Veloma any amin’i Anfiasa,
malalako ao amin’ny Tompo.
Veloma any amin’i Orbano,
mpiara-miasa amintsika ao amin’i Kristy,
sy i Stakisa malalako.
Mifampiarahabà amin’ny fanorohana masina.
Manao veloma anareo ny Eglizin’i Kristy rehetra.
Izaho Tersiosa,
izay nanoratra itý taratasy itý koa,
manao veloma anareo ao amin’ny Tompo.
Manao veloma anareo i Gaïosa, ilay itoeranay,
mbamin’ny Eglizy rehetra.
Manao veloma anareo i Erasta,
mpitahiry ny volam-panjakana eto an-tanàna,
sy i Koartosa rahalahy.
Homba anareo rehetra anie
ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Amen.

Ary ho an’ilay mahay mankahery anareo araka ny Evanjeliko,
izay nitoriana an’i Jesoa Kristy
sy nanambaràna ny zava-miafina tsy voalaza hatrizay hatrizay
(fa voaseho ankehitriny tamin’ny soratry ny mpaminany,
araka ny didin’ny Andriamanitra mandrakizay,
ka nampahafantarina ny firenena rehetra mba hanekeny ny finoana)
dia ho an’Andriamanitra, ilay hany hendry anie,
ny voninahitra mandrakizay mandrakizay,
amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 2-3. 4-5. 10-11

Midera ny Anaranao mandrakizay aho, ry Tompo.
na: Hankalazaina mandrakizay e ny Anaranao, ry Tompo.
na: Ny Anaranao, ry Tompo, no omem-boninahitra.

Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny.

Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 9-15)

Raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina?

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza,
mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay
raha avy izay haharerahanareo.
Izay mahatoky amin’ny kely dia mahatoky koa amin’ny lehibe,
ary izay tsy marina amin’ny kely,
dia tsy marina koa amin’ny lehibe.
Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo,
iza no hametraka aminareo ny harena marina?
Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo,
iza no hanome anareo izay anareo?
Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa,
fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray;
na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray.
Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo.”

Ny Farisianina izay fatra-pitia vola
dia mba nihaino izany rehetra izany koa,
ka dia naneso Azy.
Fa hoy Izy tamin’izy ireo:

“Ianareo no mpanamarin-tena eo imason’ny olona,
nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo,
ary izay ambony eo imason’ny olombelona
dia fahavetavetana eo imason’Andriamanitra kosa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...