Vakiteny voalohany
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 15, 14-21)
Mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny jentily aho, mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily.
Ry kristianina havana,
izaho aloha, raha ny aminareo, dia matoky aho
fa feno hevitra tsara sy ny fahaizana rehetra ianareo,
sady mahay mifananatra koa.
Nefa nanoratra teny sasany an-kasahiana ho anareo aho,
toy ny mampahatsiaro anareo indray,
noho ny fahasoavana nomen’Andriamanitra ahy
mba ho mpandraharahan’i Kristy Jesoa amin’ny jentily aho,
amin’ny fanaovana sorona ny fitoriana ny Evanjelin’Andriamanitra,
mba ho fanatitra ankasitrahany ny jentily,
rahefa nohamasinin’ny Fanahy Masina.
Koa mba manana rehareha ao amin’i Kristy Jesoa ihany aho
raha ny momba ny fanompoana an’Andriamanitra.
Satria tsy ho sahiko lazaina
raha tsy zavatra nampanaovin’i Kristy ahy,
mba hampanaiky ny jentily na tamin’ny teny aman’asa,
na tamin’ny herim-pamantarana amam-pahagagana,
na tamin’ny Fanahy Masina;
hany ka tongako hatraiza hatraiza ny fitoriana ny Evanjelin’i Kristy,
dia hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany Iliria;
sady nalaiko ho voninahitra ho ahy
ny tsy nitory ny Evanjely afa-tsy tao amin’izay mbola tsy nanononana an’i Kristy,
mba tsy hanorina amin’izay efa nanorenan’ny sasany,
fa ho araka ny voasoratra hoe:
“Ireo tsy nilazana Azy dia hahita;
ary ireo tsy nandre ny aminy dia hahalala.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Naneho ny famonjeny tamin’ireo firenena ny Tompo.
Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany.
Fa tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena
ny famonjeny amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely,
ilay Fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany
izato vonjin’Andriamanitra!
O ry tany, derao ny Tompo,
ka mientàna amin-karavoana!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)
Hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy, noho ny zanaky ny fahazavana.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray
nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy
fa nandany ny fananany.
Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe:‘Ahoana izany fandrenesako anao izany?
Avoahy kely hoe ny fitandremanao,
fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.’Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe:
‘Inona re no hataoko,
fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho itý?
Ny miasa tany moa tsy vitako,
ny mangataka indray mahamenatra ahy.
Aoka fa fantatro izay hataoko,
mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony
rahefa esorina amin’ny raharahako aho.’Dia nampanalainy tsirairay
izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony,
ka hoy izy tamin’ny voalohany:‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’
Dia hoy io:
‘Diloilo injaton’ny barika.’
Dia hoy ilay mpitandrina taminy:
‘Raiso ny taratasinao,
ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.’Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray:
‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’
Hoy io hoe:
‘Vary injaton’ny famarana.’
Dia hoy ilay mpitandrina:
‘Raiso ny taratasinao,
ka soraty valopolo.’Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina
satria nampiseho hafetsena,
fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao
amin’izy samy izy
noho ny zanaky ny fahazavana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.