Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-30)

Fantatsika fa ny zava-drehetra dia entin’Andriamanitra hanasoa izay tia Azy.

Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety hangatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny tenan’izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy azo lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irin’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olo-masina.
Fantatsika koa
fa ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy,
dia ireo efa voaantso araka ny fandaharany.
Satria izay fantany rahateo no notendreny
hitovy endrika amin’ny Zanany koa,
mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.
Ary izay notendreny no nantsoiny koa;
izay nantsoiny no nohamarininy koa;
izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 12, 4-5. 6

Matoky ny hatsaram-ponao aho, ry Tompo.

Jereo! Valio aho, ry Tompo Andriamanitro!
Hazavao maso, ndrao renoky ny fahafatesana;
ndrao ataom-pahavalo hoe: Resy terý!
na hifalian-drafilahy fa mihontsina!

Matoky ny hatsaram-ponao aho;
mifaly amin’ny famonjenao ny foko.
Eny, mihira aho, ry Tompo,
noho ny soa nataonao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 22-30)

Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana, hipetraka hihinana eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nitety tanàna sy vohitra maro
ka nampianatra sy nandroso ho any Jerosalema.
Ary nisy olona anankiray nanontany Azy hoe:

“Tompoko,
moa dia vitsy ihany no ho voavonjy?”

Ka hoy Izy tamin’ny olona:

“Mikeleza aina hiditra amin’ny varavarana ety;
fa lazaiko aminareo
fa maro no hitady hiditra nefa tsy ho afaka.
Satria raha efa hitsangana manidy ny varavarana ny tompon-trano
no tavela any alatrano ianareo
ka handondòna ny varavarana hanao hoe:

‘Tompoko, vohay izahay’,

dia hovaliany hoe:

‘Tsy fantatro izay niavianareo.’

Ary amin’izay ianareo dia hanao hoe:

‘Nihinana sy nisotro teo anatrehanao izahay,
ary nampianatra teny amin’ny kianjanay Ianao.’

Fa hovaliany hoe:

‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro izay niavianareo;
mialà amiko ianareo rehetra mpanao ratsy.’

Ary amin’izay vao hisy fitomaniana sy fikitroha-nify
rahefa hitanareo eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra
i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba mbamin’ny mpaminany rehetra,
fa ianareo kosa ho voaroaka any ivelany.
Hisy olona avy any Atsinanana sy Andrefana,
ary avy any Avaratra sy Atsimo,
hipetraka hihinana eo amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ary indro hisy farany izay ho voalohany,
ary hisy voalohany ho farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...