Vakiteny voalohany
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 3, 21-30)
Ny finoana no anamarinana ny olona fa tsy ny asan’ny Lalàna.
Ry kristianina havana,
ankehitriny, tsy amin’ny lalàna,
dia naseho ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra,
izay nambaran’ny Lalàna sy ny Mpaminany,
dia fahamarinana avy amin’Andriamanitra,
noho ny finoana an’i Jesoa Kristy,
ho an’ny mpino rehetra;
satria tsy misy avaka,
fa samy efa nanota ihany izy rehetra,
ka tsy manana ny voninahitr’Andriamanitra,
fa hamarininy maimaim-poana amin’ny fahasoavany
noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesoa.
Fa Izy no natsangan’Andriamanitra am-pahibemaso
ho sorom-pifonana amin’ny rany noho ny finoana,
mba hampiharihary ny fahamarinany
noho izy tsy dia namaly loatra ny fahotana fahiny
tamin’ny andron’ny fandeferany,
dia hampiharihary ny fahamarinany Izy
amin’ny andro ankehitriny,
mba ho hita ho marina sady manamarina izay manam-pinoana an’i Jesoa.
Koa aiza ary no hireharehana?
Efa nofoanana izany;
fa tamin’ny lalàna inona?
Tamin’ny lalàn’ny asa va?
Tsia, fa tamin’ny lalàn’ny finoana;
satria miaiky marina isika
fa ny finoana no anamarinana ny olona,
fa tsy ny asan’ny Lalàna.
Sa Andriamanitry ny Jody ihany Andriamanitra,
fa tsy mba Andriamanitry ny Jentily koa?
Eny, Andriamanitry ny Jentily koa Izy,
satria Andriamanitra iray ihany
no hanamarina ny voafora amin’ny finoana,
sy ny tsy voafora amin’ny finoana koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 129, 1-2. 3-4b. 4d-6
Fa hatsaram-po no ao amin’ny Tompo ary fanavotana lehibe.
Avy ato anaty hantsana aho, ry Tompo, no miantso.
Tompo ô, henoy izany feoko.
Ho tandrin-tsofinao anie ny antsoko miangavy.
He! fa mitoreo izato feoko.
Raha tsikilovinao irony heloka natao,
zovy re, ry Tompo, no haharitra?
Saingy eo anilanao no hahitako famelana.
Toky ho ahy Ianao, ka dia toaviko.
Ny Tompo no antenain’ny fanahiko hatrany,
vonona aho miandry izany teniny.
Manoatra ny mpiambina miandry ny maraina,
no aoka hiandrasantsika an’Andriamanitra.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)
Hampamoahina azy ny ran’ny mpaminany, hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina sy ny nipanora-dalàna nanao hoe:
“Loza ho anareo,
fa manao fasana ho an’ny mpaminany ianareo,
kanefa ny razanareo ihany no namono azy!
Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo,
fa izy moa namono ny mpaminany,
ianareo kosa manao fasana ho azy.
Izany no nanaovan’ny fahendren’Andriamanitra hoe:‘Haniraka mpaminany sy Apôstôly ho any aminy Aho,
ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny,
mba hampamoahina an’itý taranaka itý avokoa
ny ran’ny mpaminany rehetra
izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao.
Dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria
izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny tempoly.’Eny, lazaiko aminareo
fa hampamoahina an’izany tokoa itý taranaka itý.
Loza ho anareo, ry mpampianatra ny Lalàna,
fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana,
ka ianareo tsy niditra,
ny te-hiditra nosakananareo.”
Raha mbola niteny izany Izy,
dia nododonan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna,
ary nozezehany fanontaniana maro,
mba hamandrihany Azy
sy hahazoany vava latsaka hiampangana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.