Vakiteny voalohany
Bokin’i Joely Mpaminany (Joel. 1, 13-15 ; 2, 1-2)
Ny andron’ny Tompo, dia andro maizina sy manjombona.
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona;
midradradradrà ianareo mpanao fanompoana momba ny ôtely!
Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’Andriamanitro,
fa ny fanatitra amam-panatitra araraka
dia voatana lavitra ny tranon’Andriamanitrareo.
Miantsoa fifadian-kanina;
mamoria fiangonana;
vorio ny loholona,
izay rehetra monina amin’ny tany,
ao an-tranon’ny Tompo Andriamanitrareo,
ka mitaraina amin’ny Tompo hoe:
“Indrisy itý andro itý!”
fa efa antomotra ny andron’ny Tompo!
Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!
Tsofy ao Siôna ny anjomara;
ary ampanenoy ao an-tendrombohitro masina ny trômpetra.
Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany,
fa tonga ny andron’ny Tompo, fa efa antomotra!
Andro maizina sy manjombona,
andro mandrahona sy manjavona mainty!
Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra,
no iavian’itý firenena maro sady mahery,
tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay,
ary tsy hisy toy izany any aoriana any,
hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 9, 2-3. 6 sy 16. 8-9
Mitsara an’izao tontolo izao amin’ny fahamarinana ny Tompo.
Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho,
mitanisa ny asanao mahagaga rehetra,
mifaly sy miravo ao aminao,
miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra!
Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy;
ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!
Ireo firenena lavo an-kady nohadìna;
ny tongony, voasingotry ny harato nafenina.
He! jereo: mitoetra ny Tompon’izao rehetra izao;
mijoro ny Fiketraham-pitsarany:
mitsara an’izao tontolo izao ara-drariny Izy,
sy mifehy ny vahoaka araka ny hitsiny.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 15-26)
Raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo ny fanjakan’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany,
rahefa avy nandroaka demony i Jesoa,
dia niteny ny sasany tamin’izay teo nanao hoe:
“I Belzeboba lehiben’ny demony
no androahany ny demony.”
Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy
ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy.
Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe:
“Rava izay fanjakana miady an-trano;
mianjera mifanongoa ny trano;
ka raha miady an-trano àry i Satana,
ahoana no haharetan’ny fanjakany?
satria lazainareo fa i Belzeboba
no androahako ny demony.
Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony,
amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy?
Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo.
Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra
no androahako ny demony
dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.
Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara
no miambina ny tranony,
dia voaaro ny fananany rehetra;
fa raha tonga kosa ny mahery noho izy, ka mandresy azy,
dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany
no hizara izay nobaboiny.
Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy,
ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto,
dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra
eny amin’ny tanety maina izy,
ka nony tsy mahita dia manao hoe:‘Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.’
Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka,
ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy,
dia miditra ireo ka mitoetra eo.
Ary ny faran’izany olona izany
dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.