Vakiteny voalohany
Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jônasa 4, 1-11)
Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao, ary Izaho ve tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva, tanàna lehibe?
Nampalahelo mafy an’i Jônasa ny namindran’ny Tompo fo tamin’ny mponin’i Niniva,
ka tezitra terý izy.
Nanao fivavahana tamin’ny Tompo izy nanao hoe:
“Indrisy, Tompo ô!
Tsy izao indrindra va no nolazaiko,
fony aho mbola tany amin’ny taniko.
Koa izany no nandosirako ho any Tarsisa aloha,
satria fantatro fa Andriamanitra mamindra fo sy miantra,
malain-kitezitra, be fitiavana Ianao,
ary manenina amin’ny loza voalazanao.
Koa ankehitriny, Tompo ô,
esory amiko ny fanahiko,
fa aleoko maty toy izay velona.”
Fa hoy ny navalin’ny Tompo:
“Mety va ny hatezeranao?”
Dia nivoaka ny tanàna i Jônasa,
ka nipetraka teo atsinanan-tanàna,
nanao trano rantsan-kazo ho azy,
sy nipetraka nialokaloka teo ambanin’io
mandra-pahitany izay hanjò ny tanàna.
Ary ny Tompo Andriamanitra nampaniry tanantanamanga,
izay nisondrotra teo ambonin’i Jônasa
mba hialokalofan’ny lohany,
mba hanafahana azy amin’ny alahelony
ka nahatsiaro faly erý i Jônasa,
tamin’ny tanantanamanga.
Kanjo nony ampitso raha vao niposaka ny mazava atsinanana,
dia nandefa fositra ny Tompo hamely ilay tanantanamanga,
ka tonga maina izy.
Nony niposaka indray ny masoandro,
dia nandefa rivotra mahamay avy any atsinanana ny Tompo
sady nasian’ny masoandro ny lohan’i Jônasa;
ka efa àna mihitsy izy.
Nangataka ny ho faty izy nanao hoe:
“Aleoko maty toy izay ho velona.”
Fa hoy ny Tompo tamin’i Jônasa:
“Mety va izao hatezeranao,
noho ny amin’ny tanantanamanga izao?”
Ka hoy ny navaliny:
“Mety ny hatezerako mandra-pahafatiko.”
Dia hoy ny Tompo:
“Ianao malahelo noho ny amin’ny tanantanamanga
izay tsy nisasaranao, tsy nampanirianao,
izay naniry tamin’ny indray alina monja,
dia maty tanatin’ny indray alina koa;
ka Izaho va tsy mba halahelo noho ny amin’i Niniva,
tanàna lehibe,
izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy,
tsy mahay manavaka ny havanany amin’ny haviany,
ary biby be dia be!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 85, 3. 4. 5-6. 9-10
Ianao, ry Tompo, mpamindra fo sy mpiantra.
Amindrao fo hatrany re, ry Tompo,
fa Ianao no efa antsoiko isan’andro.
Itý fanahiko asandratro aminao,
dia ho dibo-kafaliana re ny foko.
Tsara fo sady antra Ianao, ry Tompo;
he! tianao ireo matoky miantso Anao.
Mitalaho an-tanan-droa aho ka henoy,
izany antso sy talahoko reneso.
Ary ireo firenena arianao,
ho tonga avokoa hiankohoka aminao,
fa dia lehibe tokoa ny Anaranao,
mahagaga raha ny asa vitanao.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)
Ampianaro hivavaka izahay Tompo ô.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nivavaka tao amin’ny fitoerana anankiray,
ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy:
“Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko,
tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany.”
Ary hoy Izy taminy:
“Raha mivavaka ianareo manaova hoe:
Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao.
Ho tonga anie ny fanjakanao.
Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro.
Avelao ny fahotanay,
fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay.
Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.