Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Bokin’i Jônasa Mpaminany (Jônas. 1, 1 — 2, 1. 11)

Nitsangana i Jônasa handositra ny tavan’ny Tompo.

Tonga tamin’i Jônasa, zanak’i Amati, ny tenin’ny Tompo,
nanao hoe:

“Mitsangàna ianao,
ka mankanesa any Niniva, tanàna lehibe,
hitory ny hamelezana azy,
fa tafakatra hatratý amiko ny haratsian’izy ireo.”

Dia nitsangana i Jônasa handositra ho any Tarsisa,
lavitra ny tavan’ny Tompo.
Nidina tany Jôpe izy,
dia nahita sambo ho any Tarsisa,
ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy,
hiaraka amin’izy ireo ho any Tarsisa lavitra ny tavan’ny Tompo.

Fa ny Tompo kosa nampifofofofo rivo-mahery eny amin’ny ranomasina,
ka nisy tafio-drivotra teny amin’ny ranomasina;
ny sambo efa nila ho vaky.
Raiki-tahotra ny matilò
ka samy nitaraina tamin’izay andriamaniny avy,
sady nanary ny zavatra tao an-tsambo tany anaty ranomasina,
mba hanamaivana azy;
fa i Jônasa kosa nidina tao am-bodisambo,
dia nandry ka renoka natory tao.
Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo,
ka nanao taminy hoe:

“Inona itý ataonao, no matory foana?
Mitsangàna, antsoy ny Andriamanitrao,
ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra,
ka tsy ho faty isika.”

Ary nifampilaza izy ireo nanao hoe:

“Avia, hanao filokana isika,
mba hahafantarantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika.”

Dia nanao filokana izy,
ka i Jônasa no voan’ny filokana.

Izay izy ireo nanao taminy hoe:

“Lazao anay re,
izay mahatonga izao loza izao amintsika!
Inona no raharahanao;
avy aiza ianao;
aiza no taninao;
ary inona no firenenao?”

Ka izao no navaliny azy ireo:

“Hebrio aho,
ary ny Tompo, Andriamanitry ny lanitra,
izay nanao ny tany aman-dranomasina,
no ivavahako.”

Dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo,
ka nanao taminy hoe:

“Inona izany nataonao izany?”

satria fantatr’ireo olona ireo
fa nandositra lavitra ny tavan’ny Tompo izy,
fa efa nambarany taminy izany.
Ka hoy ireo taminy:

“Hataonay ahoana ianao,
dia hitony amintsika ny ranomasina?”

Fa mbola nihananonja nihananonja mafimafy kokoa ny ranomasina.
Ka hoy ny navaliny azy:

“Raiso aho,
ka atsipazo any anaty ranomasina,
dia hitony aminareo ny ranomasina;
satria fantatro fa noho ny amiko,
no mahatonga izao tafio-drivotra mafy izao aminareo.”

Nivory ny olona mba hitondra ny sambo hitody amin’ny tany maina,
fa tsy afaka;
satria nihananonja mafimafy kokoa nanohitra azy ny ranomasina.
Ka dia niantso ny Tompo izy nanao hoe:

“Endrey! ry Tompo ô,
aoka tsy ho faty noho ny amin’ny amin’itý lehilahy itý izahay
na ataonao milonjo ny ra tsy manan-tsiny,
satria Ianao no nanao araka izay sitrakao,
ry Tompo ô!”

Dia noraisiny i Jônasa,
atsipiny tany amin’ny ranomasina,
ka nitony ny fisafoaky ny ranomasina.
Ary raiki-tahotra mafy ny Tompo ny olona,
ka nanatitra sorona ho an’ny Tompo, sy raiki-boady.

Naniraka hazandrano lehibe anankiray ny Tompo
hitelina an’i Jônasa;
ka tao an-kibon’ny hazandrano i Jônasa,
hateloan’andro sy hateloan’alina.
Dia nandidy ilay hazandrano ny Tompo,
ka naloan’ny hazandrano teny amin’ny tany i Jônasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Jôn. 2, 3. 4. 5. 8.

Mampiakatra ny aiko avy any an-davaka Ianao, ry Tompo.

Niantso ny Tompo tao anatin’ny fahoriako aho;
ary namaly ahy Izy;
nitaraina aho tao an-kibon’ny Seoly,
ka nihaino ny feoko Ianao.

Natsipinao tany amin’ny hantsana aho, dia tany amin’ny ranomasina,
ka ny riaka nanodidina ahy;
ny alon-dranonao aman’onjanao rehetra
nandeha teo amboniko.

Dia hoy aho hoe:
«Voaroaka tsy ho eo imasonao aho
nefa mbola hibanjina
ny Tempolinao masina.»

Raha reraka tao anatiko ny fanahiko,
dia nahatsiaro ny Tompo aho;
ka tonga hatrany aminao ny fivavahako,
hatrany an-tempolinao masina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 25-37)

Iza àry no namako?

Tamin’izany andro izany,
nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an’i Jesoa,
ka nanao taminy hoe:

“Tompo ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna
ary ahoana no famakinao azy?”

Ary namaly izy ka nanao hoe:

“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy ny fanahinao rehetra,
sy ny herinao rehetra,
ary ny sainao rehetra,
ary ny namanao tahaka ny tenanao.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Marina ny navalinao,
manaova izany dia ho velona ianao.”

Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

“Iza àry no namako?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Nisy lehilahy anankiray
nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao,
azon’ny jiolahy,
ka nendahany ny lambany,
nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany.
Dia nisy kosa mpisorona anankiray
nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy,
nefa nandalo ihany.
Toy izany koa itý levita anankiray izay tonga teo,
nahita azy, nefa nandalo ihany.
Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny
tonga teo aminy,
ka nangoraka nony nahita azy.
Nanatona azy izy,
dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy,
vao nampitaingina azy ny soavaliny,
sy nitondra azy tany an-tranombahiny ka nitsabo azy.
Nony ampitso,
dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano,
ary nataony hoe:

‘Tsaboy izy,
ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny,
dia honerako rahefa miverina aho.’

Iza amin’izy telo lahy
no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?”

Dia hoy ilay mpampiana-dalàna:

“Ilay niantra azy.”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mandehana àry ka manaova toy izany koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...