Vakiteny voalohany

Bokin’i Baròka (Bar. 1, 15-22)

Nanota teo anatrehan’ny Tompo isika: ary tsy nanaiky Azy.

An’ny Tompo Andriamanitsika ny fahamarinana,
antsika kosa ny henatra amin’ny tava, araka izao hita anio izao,
ho an’ny lehilahy rehetra any Jodà, sy ny mponina any Jerosalema,
ho an’ny mpanjakantsika sy ny mpifehy,
ho an’ny mpisorontsika mbamin’ny mpaminany,
sy ho an’ny razantsika.
Nanota teo anatrehan’ny Tompo isika ary tsy nanaiky Azy.
Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika,
tsy nanaraka ny didin’ny Tompo, izay navoakany teo anatrehantsika.
Hatramin’ny andro nitondran’ny Tompo ny razantsika
hiala tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka ankehitriny,
dia tsy nety hoentin’ny Tompo Andriamanitsika isika,
sady nivily isika noho ny hadalantsika, mba tsy hihaino ny feony.
Koa araka izay hita anio izao,
dia zoin-doza lehibe isika sy azon’izay ozona notononin’ny Tompo,
tamin’ny alalan’i Môizy mpanompony
izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta,
mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely.
Tsy nihaino ny feon’ny Tompo Andriamanitsika isika,
araka ny teny rehetra nataon’ireo mpaminany,
izay nirahiny nankatý amintsika.
Dia nandeha isika,
samy nanaraka ny fitongilanan’ny fony ratsy avy,
mba hanompo andriamani-kafa,
sy hanao ny ratsy eo imason’ny Tompo Andriamanitsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 78, 1-2. 3-5. 8-9

Afaho izahay, avelao ny otanay: noho ny Anaranao.

Andriamanitra ô, tongan’ireo firenena ny Lovanao!
Nolotoiny ny Tempolinao Masina! Ary Jerosalema nataony korontam-bato!
Ny fatin’ny mpanomponao nomeny ho sakafon’ny voro-manidina,
ny nofon’ny mpivavaka aminao, natsipiny ho an’ny bibidia!

Ny rany nataony mandriaka toy ny rano manodidina an’i Jerosalema!
Ary tsy misy mandevina!...
Zary faneson’ny mpifanila aminay izahay,
sy fanakora sy fandatsan’ireo manodidina!
Mandra-pahoviana, ry Tompo, no hahaviniranao,
sy hiredaredan’ny hasaro-piaronao?

Aza dia tsarovana hamelezana anay
ireo helokay fahiny;
ny indrafonao atsena anay faingana,
fa reraka loatra izahay!

Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy,
noho ny voninahitrao!
Afaho izahay, araka ny otanay
noho ny Anaranao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 13-16)

Izay manamavo Ahy, manamavo Izay naniraka Ahy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe:

“Loza ho anao, ry Kôrôzaïna,
loza ho anao, ry Betsaida!
fa raha izay no natao tany Tira sy Sidôna ny fahagagana natao taminareo,
dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona.
Noho izany, amin’ny andro fitsarana
dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidôna noho ny aminareo.
Ary ianao, ry Kafarnaôma izay misondrotra hanakatra ny lanitra
dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao.
Izay mihaino anareo mihaino Ahy,
ary izay manamavo anareo manamavo Ahy;
izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...