Vakiteny voalohany

Bokin’Akjea Mpaminany (Akjea 1, 15b — 2, 1-9)

Tsy ho ela dia hofenoiko voninahitra itý Trano itý.

Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa,
tamin’ny volana fahafito, andro faharaika amby roapolon’ny volana,
tonga ny tenin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:

“Lazao amin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora any Jodà,
sy amin’i Jôsoe, zanak’i Jôsedeka, mpisorona lehibe,
ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe:
Iza aminareo sisa velona,
no nahita itý trano itý tanatin’ny voninahiny taloha,
sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny?
Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va itý?
Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela
— teny marin’ny Tompo —.
Matokia, ry Jôsoe, zanak’i Jôsedeka, mpisorona lehibe.
Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany
— teny marin’ny Tompo —,
ary miasà! fa momba anareo Aho,
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo,
fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta;
ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko;
koa aza matahotra akory.
Fa izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
indray mandeha ihany, sady tsy ho ela,
no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany,
mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.
Hanozongozona ny firenena rehetra Aho
ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra;
ary hofenoiko voninahitra itý trano itý,
hoy ny Tompon’ny tafika.
Ahy ny volafotsy, Ahy ny volamena
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Ho lehibe ny voninahitr’itý Trano itý,
ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany;
ary eto amin’itý fitoerana itý no hametrahako ny fiadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 42, 1-2. 3. 4

Matokia an’Andriamanitra: izaho mbola hidera Azy. Izy no Mpamonjy Ahy sy Andriamanitro.

Omeo rariny aho, ry Andriamanitra,
iandanio manohitra ny firenena tsy mpivavaka!
Afaho amin’ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy,
fa Ianao no Andriamanitra mandako!
Ahoana aho no mijoretra asiam-pahavalo?

Ny hazavana sy fahamarinanao alefa
hitarika ahy ka hahatonga
hatrany am-Bohitrao masina,
hatrany amin’ny Fonenanao.

Hankeo amin’ny ôtelin’Andriamanitra aho,
eo amin’ilay Andriamanitra fototry ny hafaliako,
ka hidera Anao amim-baliha,
ry Andriamanitra Andriamanitro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 18-22)

Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra. Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa
ka teo aminy koa ny mpianany,
dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe:

“Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?”

Ary namaly ireo ka nanao hoe:

“Ny sasany manao hoe:
i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia,
ary ny sasany manao hoe:
ny anankiray amin’ny mpaminany taloha
no nitsangan-ko velona.”

“Fa ianareo kosa, hoy Izy,
mba manao Ahy ho iza?”

Dia namaly i Piera ka nanao hoe:

“I Kristin’Andriamanitra.”

Nefa norarany mafy izy ireo
mba tsy hilazalaza izany amin’olona,
sady nampiany hoe:

“Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona,
ka harian’ny loholona sy lehiben’ny mpisorona
mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny;
fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...