Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim 6, 2d-12)

Aoka ianao, ry olon’Andriamanitra, hikatsaka fahamarinana.

Ry malala,
fantatrao izay tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona.
Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany,
ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika,
sy ny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,
dia olona mpieboebo foana izany,
sy tsy mahalala na inona na inona,
fa adalan’ady hevitra aman’ady teny,
izay miteraka fialonana, fifandirana, fanaratsiana,
fiahiahian-dratsy, fifanoherana tsy misy farany,
fanaon’ny olona efa ratsy saina sy nialan’ny fahamarinana,
ka manao ny fivavahana ho filan-karena.
Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka omban’ny fianìnana;
satria tsy nitondra na inona na inona isika
no niditra tamin’izao tontolo izao,
ka iaraha-mahita fa tsy hahatondra na inona na inona koa no hiala eto:
koa rahefa manan-ko hanina sy hitafiana,
dia aoka hianina amin’izany.
Fa izay te-hanan-karena,
dia tafalatsaka amin’ny fakam-panahy
sy ny fandrika amam-pilàna maro tsy misy heviny sy mampidi-doza,
izay mandentika ny olona amin’ny fandringanana amam-pahaverezana.
Satria ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra,
ka ny sasany nentin’izany, dia efa nivily lavitry ny finoana,
sy nandefona ny tenany tamin’ny fijaliana maro.
Koa aoka àry ianao, ry olon’Andriamanitra,
handositra izany zavatra izany,
fa hikatsaka fahamarinana, fahazotoa-mivavaka,
finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana,
ary mahazoa ny fiainana mandrakizay, izay niantsoana anao,
sy nanaovanao fanekem-pinoana fatratra teo imason’ny vavolombelona maro.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 48, 6-7. 8-10. 17-18. 19-20

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra.

Nahoana aho moa no hatahotra loza
hihevitra hoe tsy ho tafarina intsony?
Ireo fahavaloko mirehareha,
fa manana ka manontany ny ory.

Fa angaha misy olona maha-avo-tena,
na hoe afa-mahaloa tamby amin’ny Tompo?
Satria lafo loatra tokoa ny avotr’aina,
tsy voavidim-bola na oviana na oviana.

Raha misy misondrotra manan-daza.
Angaha ny hareny manaraka azy?
Raha maty izy
hankaiza ny fahamboniany?

Endrey izany lazany teo aloha
nohasohasoiny any an-tampon-doha.
Izao tafaray amin’ny Razany izy,
tsy hahita mazava mandrakizay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)

Nanaraka Azy ny vehivavy sasany nositraniny tamin’ny aretiny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa lasa nitety ny tanàna sy ny vohitra,
nampianatra sy nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Nanaraka Azy ny roa ambin’ny folo lahy sy ny vehivavy sasany
nositraniny tamin’ny fanahy ratsy sy ny aretina,
dia i Maria atao hoe Madelenina izay nivoahana demony fito,
i Joàna vadin’i Kozà mpitandrina ny fananan’i Herôda,
ary i Sozàna mbamin’ny maro hafa koa
izay nanampy Azy tamin’ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...