Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 4, 12-16)

Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao: hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao ianao.

Ry malala,
aoka tsy hisy olona hanamavo anao noho ny fahatanoranao,
fa aoka ho fakan-tahaka ho an’ny mpino ianao,
amin’ny teny, amin’ny fitondran-tena, amin’ny fitiavana,
amin’ny finoana, ary amin’ny fahadiovana.
Mandra-piaviko,
milozoha amin’ny famakiam-boky sy fananarana ary fampianarana.
Aza atao tan-tsirambina ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao,
izay nomena anao tamin’ny faminaniana maro
mbamin’ny fametrahan-tanan’ireo Pretra tafangona.
Diniho izany zavatra izany,
ary araiketo amin’izany ny tenanao manontolo,
mba hiharihary amin’ny olona ny fandrosoanao.
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao
ary mahareta tsara amin’izany,
fa raha manao izany ianao,
dia hahavonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 7-8. 9. 10

Lehibe ny asan’ny Tompo.

He marina sady mahitsy ny Tompo.
Ka ny lalany azo itokisana.
Marim-pototra tsy mba mikoro
ka maharitra mandrakizay.

Nandray famonjena ny olom-boafidy.
Fanekem-baovao no iorenany,
ka mijoro ho mandrakizay.
Eny masina ny Anarany.

Ny tahotra santatry ny fahendrena,
izay manoa ny Tompo ho velona.
Ka ho feno ny fahalalana.
Tsisy fetra ny lazan’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 36-50)

Voavela ny heloka betsaka vitany satria be fitiavana izy.

Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanasa an’i Jesoa hiara-mihinana aminy,
ka niditra tao an-tranon’ilay Farisianina Izy,
dia nipetraka nihinana.
Ary indro nisy vehivavy ratsy fitondran-tena tao an-tanàna
nahalala fa nihinana tao an-tranon’ilay Farisianina i Jesoa
ka dia nivimbina tavoara alabastra feno diloilo manitra,
dia nijanona teo ivohony tanilan’ny tongony sady nitomany
ka kotsan’ny ranomasony ny tongony,
fa nofaohiny tamin’ny volon-dohany sy norohany,
ary nohosorany diloilo manitra.

Nony nahita izany ilay Farisianina nanasa Azy,
dia nanao anakampo hoe:

“Raha mpaminany Izy
dia ho nahalala ny toetran’itý vehivavy mikasika Azy,
fa hoe mpanota io.”

Ary i Jesoa niteny taminy nanao hoe:

“Ry Simôna,
misy zavatra holazaiko aminao.”

Dia hoy izy:

“Lazao, ry Mpampianatra.”

Ary hoy i Jesoa:

“Nisy olona roa lahy nananan’ny mpampanjana-bola anankiray trosa,
ny iray nananany denie dimanjato, ary ny iray dimampolo.
Noho izy ireo samy tsy nanan-kaloa,
dia nafoiny ny trosa tamin’izy roa lahy.
Koa iza amin’ireo no ho tia azy kokoa?”

Dia hoy i Simôna namaly Azy:

“Ataoko fa ilay namoizany bebe kokoa.”

Ary hoy Izy taminy:

“Marina ny anao.”

Dia nitodika an-dravehivavy izy ka nanao hoe:

“Hitanao va io vehivavy io?
Niditra teto an-tranonao Aho,
fa ianao tsy nanome rano hanasako tongotra,
izy kosa nanondraka ny tongotro tamin’ny ranomasony
sy namaoka azy tamin’ny volon-dohany.
Ianao tsy nanoroka Ahy,
izy kosa tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro hatrizay nidirako.
Ianao tsy nanosotra diloilo ny lohako,
izy kosa nanosotra diloilo manitra ny tongotro.
Noho izany dia lazaiko aminao
fa voavela ny heloka be nataony satria be fitiavana izy;
fa izay amelana kely no kely fitiavana.”

Dia hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Voavela ny helokao.”

Ary izay niara-nihinana taminy nanao anakampo hoe:

“Iza moa itý
no mamela na dia ny heloka aza?”

Fa hoy Izy tamin-dravehivavy:

“Ny finoanao no nahavonjy anao,
mandehana amim-piadanana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...