Vakiteny voalohany
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timote (1 Tim. 3, 1-13)
Ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny; toy izany koa ny Diakra: mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio.
Tena marina izao teny izao:
raha misy maniry ny raharahan’ny Pretra,
dia maniry raharaha tsara indrindra izy.
Koa ny Pretra dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny,
tsy nanam-bady, afa-tsy indray mandeha monja,
mahonon-tena,
hendry,
maotona sy mendrimendrika,
mampiantrano vahiny,
mahay mampianatra,
tsy lian-divay,
tsy mikapoka, fa mandefitra,
tsy mpila ady,
tsy tia vola,
mahay mitondra ny ankohonany,
sy mampanaiky tsara ny zanany amim-pahamaotonana lavorary;
fa raha misy tsy mahay mitondra ny ankohonany,
hataony ahoana ny fitondra ny Eglizin’Andriamanitra?
Tsy zazavao amin’ny fivavahana,
fandrao dia mieboebo foana
ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.
Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin’ny any ivelany koa,
fandrao dia afa-baràka sy voan’ny fandriky ny demony.
Toy izany koa ny Diakra,
dia aoka ho olona maotona,
tsy miroa teny,
tsy lian-divay,
tsy tia harena foana,
mitana ny misterin’ny finoana amim-pieritreretana madio;
ary aoka hozahan-toetra izy aloha,
vao manao ny raharahany, rahefa hita fa tsy manan-tsiny.
Toy izany koa ny vadiny,
dia aoka ho olona manaja tena,
tsy mpifosa,
mahonon-tena,
mahatoky amin’ny zavatra rehetra.
Aoka ny Diakra ho olona tsy nanam-bady afa-tsy indray mandeha,
sy mitondra tsara ny zanany mbamin’ny ankohonany.
Fa izay nahatontosa tsara ny raharahany,
dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany,
sy fahatokiana lehibe amin’ny finoana
izay ao amin’i Kristy Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 100, 1-2ab. 2de-3. 5. 6
Ny fahamarinana no monina ato amiko.
Ny hatsaram-po sy ny rariny no fikàloko;
Ianao, ry Tompo, no fiàntsako!
Izaho mitandrina ny lala-madio,
ny fahamarinana no monina ato amiko!
Izaho miaina amim-po madio ao an-tranoko,
tsy mba mamorona fikasan-dratsy!
Ny mpihatsaravelatsihy dia halako,
tsy ekeko hiraikitra amiko!
Ny mpanebaka namana an-takona,
fongorako,
ny maso mianjona, ny fo miavona
levoniko mihitsy.
Ny masoko dia amin’ny mpino amin’ny tany
mba honenany eo anilako.
Ny mizotra amin’ny lala-madio
no mpanompoko.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 11-17)
Ry zatovo, Izaho mandidy anao, mitsangàna.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amin’ny tanàna anankiray atao hoe Naima,
ary mpianany maro sy vahoaka betsaka no niaraka taminy.
Rahefa mby teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy,
dia indro nisy fatin’ny zazalahy anankiray nentina halevina,
zanak’olona lahitokana sady mpitondratena indray reniny,
ka vahoaka be avy ao an-tanàna no nanaraka azy.
Nangoraka ny Tompo nony nahita an-dravehivavy,
ka nanao taminy hoe:
“Aza mitomany.”
Dia nanatona Izy ka nanendry ny tranovorona;
dia nijanona ny mpilanja,
ary hoy i Jesoa:
“Ry zatovo,
Izaho mandidy anao, mitsangàna.”
Dia niarina niaraka tamin’izay ny maty, sady niteny,
ary nomen’i Jesoa an-dreniny.
Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo,
sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:
“Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika,
ary Andriamanitra efa namangy ny olony.”
Dia niely eran’i Jodea sy ny tany manodidina rehetra
izany teny fankalazana izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.