Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (1 Tim. 1, 15-17)

Tonga tetý an-tany Izy, hamonjy ny mpanota.

Teny marina tokoa sy mendrika hitokiana indrindra izao:
Tonga tetý an-tany i Kristy Jesoa hamonjy ny mpanota,
ary izaho no lohany indrindra aminy;
fa izany indrindra no nahazoako famindram-po,
dia ny mba hanamparan’i Kristy Jesoa ny haben’ny famindram-pony amiko aloha,
mba ho fianarana ho an’izay hino Azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Ho an’ny Mpanjakan’ny taona rehetra anie,
dia Ilay tsy mety maty, sy tsy hita maso, ary hany Andriamanitra tokana,
ny haja amam-boninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 112, 1-2. 3-4. 5a sy 6-7

Hisaorana anie ny Anaran’ny Tompo, hatrizao ka ho mandrakizay.

Derao, ry mpanompon’ny Tompo.
Derao ny Anaran’ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.

Tongava marain-tsy hariva:
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena:
Ny lazany avo dia avo!

Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ka miondrika Izy mijery,
na lanitra izany na tany.
Alàny amin’ny fako ny ory,
esoriny avy eo ny mahantra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 43-49)

Nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko; nefa tsy manao izay lazaiko.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy,
na hazo ratsy mamoa voa tsara.
Fa samy fantatra amin’ny voany avy ny hazo rehetra;
fa tsy misy mioty aviavy amin’ny tsilo,
na voaloboka amin’ny voaroitsilo.
Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara
avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony;
ary ny olona ratsy fanahy kosa
mamoaka ny ratsy avy amin’ny rakitra ratsin’ny fony;
fa ny be ao am-pony no itenenan’ny vavany.

Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko,
nefa tsy manao izay lazaiko?
Hasehoko anareo izay azo anoharana ny olona rehetra manatona Ahy
ka mihaino ny teniko sy manatanteraka azy:
tahaka ny olona anankiray manao trano izy,
izay nihady lalina aloha vao nandatsaka ny fototra eo ambonin’ny vatolampy,
ka nony tondraka ny rano dia nasian’ny riaka mafy izany trano izany,
nefa tsy nampihontsona azy akory izany,
satria tsara orina tambony vatolampy izy.
Fa izay mihaino ihany kosa nefa tsy manaraka,
dia tahaka ny olona anankiray nanorina ny tranony
eo ambonin’ny tany tsy àry fototra,
ka vao nasian’ny riaka, dia nirodana niaraka tamin’izay,
ary loza ny faharavan’izany trano izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...