Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 3, 12-17)

Mitafia ny fitiavana izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.

Ry kristianina havana,
olom-boafidin’Andriamanitra ianareo sady masina sy malala,
ka mitafia famindram-po amam-piantrana,
halemem-panahy amam-panetren-tena,
fahamaotonana amam-pandeferana.
Aoka hifandefitra sy hifamela heloka,
raha misy manana alahelo amin’ny namany.
Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa.
Fa ambonin’izany rehetra izany,
dia mitafia ny fitiavana, izay fehin’ny hatsaram-panahy rehetra.
Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan’i Kristy
izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray
ary hahay mankasitraka anie ianareo.
Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin’i Kristy,
ka hifampianatra sy hifananatra amin’ny fahendrena rehetra ianareo;
ary hoentin’ny fahasoavana hihira ho an’Andriamanitra ao am-ponareo,
amin’ny Salamo aman-kira fiderana,
mbamin’ny tononkira masina.
Ary na inona na inona ataonareo,
na amin’ny teny, na amin’ny asa,
dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra,
sy amim-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6

Ny manana aina rehetra, aoka hidera ny Tompo!

Derao Andriamanitra any an-toerany masina!
Derao Izy any amin’ny habakabany mahery!
Derao Izy noho ny fahefany tsy toha!
Derao Izy noho ny halehibeny diso ohatra!

Derao Izy amim-peon’anjomara!
Derao Izy amim-baliha sy lokanga!
Derao Izy amin’amponga sy dihy!
Derao Izy amin-jejy sy sodina!

Derao Izy amim-kipantso-mikarantsana!
Derao Izy amin-kipantsom-pamindràna!
Ny manana aina rehetra
aoka hidera ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavan’Andriamanitra lavorary ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 27-38)

Aoka ho mpamindra fo toy ny Rainareo mpamindra fo ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy:
Tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa an’izay mankahala anareo,
misaora an’izay manozona anareo
ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo.
Raha misy mamely ny takolakao anankiray,
dia atolory azy koa ny ilany
ary raha misy maka ny lambanao,
aza sakanana na alainy mbamin’ny akanjonao aza.
Omeo izay rehetra mangataka aminao,
ary raha misy mifaoka ny anananao,
dia aza mitaky izany aminy intsony.

Izay tianareo hataon’ny olona aminareo,
no mba ataovy amin’ny olona koa.
Raha izay tia anareo ihany no tianareo,
fankasitrahana inona no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa.
Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota aza mba manao toraka izany ihany koa.
Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo,
fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo?
Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany,
mba handraisany toraka izany.
Fa ianareo kosa,
tiavo ny fahavalonareo,
manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny:
dia ho lehibe ny valisoanareo,
ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra,
dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy.

Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.
Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo;
aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo;
mamelà, dia havela ianareo.
Manomeza dia homena ianareo;
fatra tsara, mifatratra,
sady mihintsana no avo loha no homena ho ao am-pofoanareo:
fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...