Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 2, 6-15)

Niara-novelomin’Andriamanitra niaraka taminy ianareo nony efa navelany ny fahotanareo.

Ry kristianina havana,
araka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa Tompo,
no aoka handehananareo ao aminy koa,
ka hamaka tsara sy hiorina ao aminy ary hohamafisin’ny finoana
sy handroso hatrany hatrany amim-pisaorana Azy.
Mitandrema fandrao dia lasan-ko babon’ny sasany,
amin’izany hoe fahaizan-dalina,
izay famitahana foana avy amin’ny hevitr’olombelona
sy araka ny abidim-pianaran’izao tontolo izao,
fa tsy araka an’i Kristy.
Ao aminy anefa no itoeran’ny hafenoan’ny fomban’Andriamanitra an-davany sy an-tsakany;
ao aminy no anananareo ny zavatra rehetra,
fa Izy no lohan’izay rehetra mety ho fifehezana sy fahefana;
tao aminy no namoràna anareo tamin’ny famoràna tsy nataon-tanana,
izay manala ny tena nofo, dia tamin’ny famoràn’i Kristy;
fa niara-nilevina taminy ianareo tamin’ny Batemy,
ary niara-nitsangana taminy tamin’ny Batemy ihany koa,
noho ny finoanareo ny herin’Andriamanitra izay nanangana Azy ho velona.
Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo,
dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray,
nony efa navelany ny fahotantsika rehetra.
Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika,
sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany,
tamin’ny nanomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana;
ary naongany ny fifehezana sy ny fahefana,
sady nasehony miharihary ho fizahan’ny olona
ka nampombainy ny mpandresy tao amin’ny Hazofijaliana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 1-2. 8-9. 10-11

Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo.

Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka,
sy misaotra ny Anaranao, ry Ilay mandrakizay.
Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay.

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo,
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao.
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 12-19)

Nivavaka nandritra ny alina Izy. Ary nifidy roa ambin’ny folo lahy nantsoiny hoe Apôstôly.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa lasa tany an-tendrombohitra mba hivavaka,
ka nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina.
Nony maraina ny andro dia niantso ny mpianany Izy
ka nifidy roa ambin’ny folo lahy tamin’izy ireo,
izay nomeny anarana hoe Apôstôly:
dia i Simôna izay nataony hoe i Piera,
sy i Andre rahalahiny,
i Jakôba sy i Joany,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Matio sy i Tômà,
i Jakôba zanak’i Alfe,
sy i Simôna izay atao hoe Zelôty,
ary i Jodà rahalahin’i Jakôba,
sy i Jodasy Iskariôta ilay namadika.
Dia niara-nidina tamin’izy ireo Izy
ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro
sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema,
ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amoron-tsiraka,
izay tonga teo mba hihaino Azy,
sy mba hositraniny amin’ny aretiny:
dia nositraniny izay nampijalian’ny fanahy maloto,
ary nitady hanendry Azy ny vahoaka rehetra,
satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...