Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 24 — 2, 1-3)

Voatendry ho mpandraharahan’ny Fiangonana aho mba hitoriako ny tsiambaratelon’Andriamanitra tsy nambara taloha.

Ry kristianina havana,
ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho,
fa mameno ao amin’ny nofoko
izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny Eglizy;
fa voatendry ho mpandraharaha azy aho
noho ny nanomezan’Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo,
mba hitoriako ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany,
dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby,
fa naseho kosa ankehitriny tamin’ny olona masina,
dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny jentily
ny voninahitr’izany hevi-miafina izany,
dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo.
Izy no torìnay,
ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa
araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavan’ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa;
ary izany indrindra no iasako sy iadiako mafy,
araka ny heriny izay iasany fatratra ato amiko.
Fa tiako ho fantatrareo ny hamafin’ny ady iadiako ho anareo
sy ho an’ny any Laôdisea mbamin’izay rehetra mbola tsy nahita maso ahy,
mba hahafaka alahelo ny fon’izy ireo,
sy hiraisany fatratra amin’ny fitiavana,
ary hananany fieken-tsaina mazava tsara,
ka hahalala ny hevi-miafin’Andriamanitra izy, dia i Kristy,
izay iafenan’ny rakitry ny fahendrena amam-pahalalana rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 61, 6-7. 9

Andriamanitra no Famonjena ahy sy Voninahitro.

Eny manko! ao amin’Andriamanitra mianina, ry fanahiko:
fa Izy no tokiko!
Eny manko! Izy no Vatolampiko sy Famonjena ahy,
Fiarovana-avo ho ahy: tsy hihontsona aho!

Matokia Azy lalandava,
ry vahoaka!
Mamosaha fo
anoloan’Andriamanitra tokintsika!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 6-11)

Nitsikilo Azy izy ireo na hanasitrana andro Sabata Izy na tsia.

Indray sabata hafa koa i Jesoa,
dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra,
ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo.
Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina
na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia,
mba hahitany antony hiampangana Azy.
Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo,
ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana:

“Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany.”

Dia nitsangana ilay io ka nijoro,
ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Manontany anareo Aho,
inona no mety hatao amin’ny sabata,
ny manao soa sa ny manao ratsy;
ny mamonjy aina sa ny manala aina?”

Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo
ka hoy Izy tamin-dralehilahy:

“Ahinjiro ny tananao.”

Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany.
Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana,
ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...