Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy (Kôl. 1, 21-23)

Nampihavaniny aminy ianareo mba hatsangany ho masina sy tsy manan-tsiny.

Ry kristianina havana,
taloha ianareo dia lavitra an’i Kristy sy fahavalony,
tamin’ny hevitra aman’asa ratsinareo,
fa ankehitriny kosa nampihavanin’Andriamanitra amin’ny Tenan’i Kristy nofo tamin’ny nahafatesany,
mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany,
raha tahiny ianareo maharitra sy miorim-paka mafy amin’ny finoana,
ary tsy azo tsoahina hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny Evanjely,
izay efa renareo sy notorìna taminareo ary nanendrena ahy, Paoly,
ho mpandraharaha.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 53, 3-4. 6 sy 8

Indro Andriamanitra manampy ahy.

Andriamanitra ô, vonjeo amin’ny Anaranao aho;
omeo rariny amin’ny herinao!
Andriamanitra ô, henoy ny talahoko;
mampandria sofina amin’ny tenin’ny vavako.

Indro Andriamanitra manampy ahy;
ny Tompo no ilay Mpanohana ny fanahiko.
Koa avy misorona amin’ny hazavam-ponao aho!
Eny, ry Tompo; tonga hidera ny hasoan’ny Anaranao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 1-5)

Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?

Indray Sabata,
raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa,
dia nioty salohim-bary ny mpianany,
ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany.
Dia hoy ny Farisianina sasany taminy:

“Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?”

Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy
ka naka ny mofo alahatra,
dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa,
nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?”

Sady nampiany hoe:

“Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...