Vakiteny voalohany
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 5, 1-6. 9-11)
Maty ho antsika Izy, mba hahatonga antsika hiara-belona aminy.
Ry kristianina havana,
ny amin’ny andro sy ny fotoana hiavian’ny Tompo,
dia tsy ilaina akory ny hanoratanay izany aminareo,
satria efa mahalala marina rahateo ianareo
fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo.
Amin’ilay hanaovan’ny olona hoe:
“Fiadanana sy fandriam-pahalemana re izany!”
iny indrindra no hilatsahan’ny fandringanana tampoka amin’izy ireo,
tahaka ny fihetsehan-jaza amin’ny bevohoka,
ka tsy afa-mandositra izy.
Ianareo, anefa, ry kristianina havana,
dia tsy mba ao amin’ny maizina,
ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany;
fa zanaky ny mazava avokoa ianareo, ary zanaky ny andro koa;
tsy misy an’ny alina isika na an’ny maizina akory.
Koa aza mba matory tahaka ny sasany isika,
fa aoka hiari-tory sy hifady hanina.
Satria tsy ho an’ny fahatezerana no nanendren’Andriamanitra antsika,
fa ny hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompotsika,
izay maty ho antsika mba hahatonga antsika hiara-belona aminy,
na mahatsiaro na matory isika.
Noho izany àry, mifanalà alahelo ianareo,
ary mifamporisiha handroso,
araka ny efa ataonareo rahateo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 26, 1. 4. 13-14
Matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny tanin’ny velona.
Ny Tompo no fanilo sy vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?
Fangatahana tsy mahasasatra ahy
sy tozoiko indrindra, ry Tompo:
dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny tanin’ny velona.
Mahandrasa ny Tompo, marisiha;
mahereza fo, mahandrasa ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 31-37)
Fantatro raha Ianao, dia Ilay Masin’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan’i Galilea,
ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata,
ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany,
satria niteny toy ny manam-pahefana Izy.
Tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto,
ka niantso mafy nanao hoe:
“Aoka re,
fa mifandraharaha inona aminao izahay,
ry Jesoa avy any Nazareta ô?
Tonga handringana anay va Ianao?
Fantatro raha Ianao,
dia ilay Masin’Andriamanitra.”
Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe:
“Mangina ary mialà amin’io lehilahy io.”
Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony
vao nivoaka niala taminy,
nefa tsy nandratra azy akory.
Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe:
“Teny manao ahoana re izany?
fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy,
dia miala ireny.”
Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.