Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 13-18)

Amin’ny alalan’i Jesoa no hitondran’Andriamanitra ireo nody mandry hiaraka aminy koa.

Ry kristianina havana,
tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry,
sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.
Fa araka ny inoantsika an’i Jesoa ho efa maty sy nitsangan-ko velona
no hitondran’Andriamanitra an’izay nody mandry hiaraka aminy koa,
amin’ny alalan’i Jesoa.
Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo:
Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavian’ny Tompo,
dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;
fa hisy baiko homena, sy feon’arkanjely, ary feon-trômpetran’Andriamanitra,
dia hidina avy any an-danitra ny tenan’Izy Tompo,
ka izay maty tao amin’i Kristy no hitsangana aloha;
rahefa izany,
hakarina hiaraka amin’izy ireo eny amin’ny rahona koa isika velona sisa tavela,
hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka
dia ho any amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Koa izany teny izany àry no aoka hifanalanareo alahelo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 95, 1 sy 3. 4-5. 11-12. 13

Tamy ny Tompo hitsara ny tany.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Ihirao ny Tompo, ry tany tontolo!
Ambarao ny firenena ny voninahiny,
ny vahoaka rehetra, ny asany mahagaga!

Fa lehibe ny Tompo sy mendri-dera fatratra,
mahatahotra noho ny andriamanitra rehetra!
Ny andriamanitr’ireo vahoaka tsinontsinona avokoa;
ny Tompo kosa nanao ny lanitra!

Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany,
hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy,
hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy,
hanakora avokoa ny hazo any an’ala.

Mba hitsena ny Tompo;
fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 16-30)

Nirahiny hitory ny teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho... Tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy,
ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata,
ary nitsangana hanao ny famakian-teny.
Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany,
ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe:

“Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo,
fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy
sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,
hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba,
hanafaka izay nampahorìna
ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.”

Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina
ka nipetraka Izy,
ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga.
Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe:

“Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.”

Ary nankalaza Azy izy rehetra,
sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo:

“Tsy ny zanak’i Jôsefa va itý?”

Ary hoy kosa i Jesoa taminy:

“Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe:

‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao.
Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma
mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa.’

Dia notohiziny hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy.
Ary lazaiko marina aminareo koa
fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia,
raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana
ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra,
nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza,
fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà
any amin’ny tany Sidôna ihany;
ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany,
nefa tsy nisy sitrana na iray aza,
fa i Naamàna Sirianina ihany.”

Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany,
ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna,
sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany
mba hazerany any an-tevana;
fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...