Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 9-12)

Ny tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia mba hifankatiavanareo.

Ry kristianina havana,
ny amin’ny fifankatiavan’ny mpirahalahy,
dia tsy ilaina ny hanoratana izany aminareo,
satria tenanareo no nampianarin’Andriamanitra hifankatia
sady efa manao izany rahateo amin’ny rahalahy rehetra eran’i Masedônia ianareo.
Miangavy aminareo anefa izahay, ry kristianina havana,
mba handroso kokoa mandrakariva amin’izany.
Mahaiza miaina amim-piadanana,
sy manatanteraka tsara ny raharahanareo,
ary miasa tanana araka ny nandidianay anareo,
mba handehananareo amim-pahamendrehana amin’izay eo ivelany,
sy tsy hiankinanareo amin’olona foana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 7-8. 9

Tamy ny Tompo hitsara ireo vahoaka araka ny hitsiny.

Ihirao hiravao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina!

Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy,
izao rehetra izao sy izay monina ao aminy!
Ny ony aoka hiteha-tanana;
ny vohitra indray hanakora.

Mba hitsena ny Tompo izay tamy!
Fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 14-30)

Satria nahatoky tamin’ny zavatra kely ianao, dia miaraha mifaly amin’ny tomponao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Andriamanitra hanao tahaka ny lehilahy anankiray handeha hivahiny
ka niantso ny mpanompony sy nametraka ny fananany taminy.
Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray;
samy araka ny fahaizany avy dia lasa nandeha izy.
Ilay nandray talenta dimy dia nandeha nampiasa izany,
ka nahazo tombom-barotra dimy koa.
Toraka izany ilay nandray roa dia nahazo tombom-barotra roa koa;
fa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray kosa,
nandeha nihady tany, dia naleviny tao ny volan’ny tompony.

Nony ela dia niverina ny tompon’ireo mpanompo ireo,
ka nampamoaka azy ny amin’ny volany.
Dia nanatona ilay nandray talenta dimy,
nitondra talenta dimy hafa koa ka nanao hoe:

‘Talenta dimy, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indreto nahazo tombom-barotra talenta dimy koa aho.’

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’

Ary nanatona koa ilay nandray talenta roa, dia nanao hoe:

‘Talenta roa, tompoko, no napetrakao tamiko,
ary indro nahazo tombom-barotra roa hafa aho.’

Dia hoy ny tompony taminy:

‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, sy mahatoky,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hataoko mpitantana ny be ianao:
miaraha mifaly amin’ny tomponao.’

Dia mba nanatona kosa ilay tsy nandray afa-tsy talenta iray ka nanao hoe:

‘Tompoko, fantatro fa olona lozabe ianao,
fa mijinja amin’izay tsy namafazanao,
ary manangona amin’izay tsy nanahafanao,
ka natahotra aho,
dia lasa naleviko tany anaty tany ny talentanao;
koa indro averiko aminao ny anao.’

Namaly ilay tompony ka nanao taminy hoe:

‘Ry mpanompo ratsy sady kamo,
fantatrao fa mijinja amin’izay tsy namafazako aho,
ary manangona amin’izay tsy nanahafako;
koa tokony ho napetrakao tany amin’ny mpampanàna ny volako,
ary rahefa tonga aho dia ho nandray ny ahy mban-janany.
Alao àry ny talenta any amin’io ka omeo ilay manana talenta folo;
fa izay manana no homena, ka hanam-be izy,
fa izay tsy manana kosa dia halaina aminy mbamin’izay ananany aza.
Ary ilay mpanompo tsy vanon-ko inona
dia ario any amin’ny maizina any:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.’

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...