Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 4, 1-8)

Ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra.

Ry kristianina havana,
izao no angatahinay sy ihantanay aminareo ao amin’i Jesoa Tompo:
efa nianaranareo taminay izay fitondran-tena mety hankatsitrahan’Andriamanitra,
sady efa arahinareo koa,
ka mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany.
Efa fantatrareo araka ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa Tompo,
fa ny hanamasinanareo ny tenanareo no sitrapon’Andriamanitra:
dia ny hifadianareo ny fijangajangana,
sy ny hahaizanareo tsirairay avy manana ny fanaky ny tenanareo
amin’ny fahamasinana sy fananan-kaja,
fa tsy amin’ny filan-dratsin’ny nofo araka ny fanaon’ny jentily
izay tsy mahalala an’Andriamanitra,
ary ny tsy hisian’ny olona manao an-keriny
na an-kafetsena amin’ny rahalahiny amin’izany raharaha izany,
fa ny Tompo no mpamaly izany rehetra izany,
araka ny efa voalazanay sy nasehonay marina taminareo;
satria tsy ho amin’ny fahalotoana,
fa ho amin’ny fahamasinana no niantsoan’Andriamanitra antsika.
Koa izay manamavo izany didy izany,
dia tsy manamavo olombelona, fa manamavo an’Andriamanitra,
izay nanome ny Fanahy Masina ho ao aminareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 96, 1 sy 2b. 5-6. 10. 11-12

Mifalia ao amin’ny Tompo, ry olo-marina!

Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo,
koa samia manao koràna ianareo nosy maro
fa ny rahona no lamba ihodidinan’ny Mpanjaka.
E! ny rariny sy ny hitsiny ijoroany ao an-drova.

Fa ny tany raha mahita tsy mitsaha-mihorohoro,
tendrombohitra amin’izany dia mitsonika mikoa.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara;
voninahiny tazano hita mason’ny vahoaka.

Andriamanitra mahery sy ambony tsisy fetra:
Ianao manerinerina mifehy ny tontolo.
Ianareo izay tia ny Tompo, andosiro re ny ratsy,
fa ny Tompo dia mitandrina an’ireo izay mino Azy.

Ny hazavana vao mitranga: ny olo-marina no tràny,
ka somebin-karavoana izay mahitsy fo rehetra.
Mifalia, ry olo-marina, eo imason’izy Tompo.
Eny, masina ny Anarany, koa tongava ianao hisaotra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)

Intý tamy ny mpampakatra mandehàna mitsena azy ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza itý fanoharana itý tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virjiny folo izay naka ny fanalany,
ka lasa nitsena ny mpampakatra sy ny ampakarina.
Ny dimy tamin’izy ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry;
ny dimy adala nitondra fanala fa tsy nitondra solika;
fa ny hendry kosa nitondra fanala sy solika tamin’ny fitoeran-tsolika.
Ary noho ny fahelan’ny mpampakatra, dia samy rendremana izy rehetra ka natory.

Fa nony nisasaka ny alina, dia nisy niantso mafy hoe:

‘Intý tamy ny mpampakatra, mandehàna mitsena azy ianareo.’

Tamin’izay, dia niarina ireo virjiny rehetra ireo ka nanamboatra ny jirony.
Ary hoy ny adala tamin’ny hendry:

‘Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay,
fa efa ho faty ny jironay.’

Hoy ny navalin’ny hendry azy:

‘Ndrao tsy ampy ho anay sy anareo,
fa aleo mankany amin’ny mpivarotra ianareo,
ka mividiana ho anareo.’

Ary raha mbola nandeha hividy izy, dia tonga ny mpampakatra
ka izay efa niomana no niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady,
dia nohidiana ny varavarana.
Nony afaka kelikely,
dia tonga kosa ireto virjiny sasany ka nanao hoe:

‘Tompoko, tompoko, vohay izahay.’

Fa hoy ny navaliny azy:

‘Lazaiko aminareo fa tsy fantatro akory ianareo.’

Koa miambena ianareo, fa samy tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...