Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 3, 7-13)

Andriamanitra anie hampitombo anareo amin’ny fifankatiavana sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra.

Ry kristianina havana,
afaka alahelo ny aminareo izahay,
teo amin’ny fahaterena amam-pahorianay rehetra, noho ny finoanareo;
velona terý izahay izao,
mahita anareo maharitra tsara ao amin’ny Tompo.
Fisaorana manao ahoana re no azonay avaly an’Andriamanitra,
noho ny aminareo sy noho ny hafaliana tanteraka tsaroanay
noho ny aminareo eo anatrehan’Andriamanitra!
Endrey, izany fangatahanay an-kafanam-po lehibe andro aman’alina
hahita tava anareo, sy hameno izay tsy ampy amin’ny finoanareo!
Enga anie ka ny tenan’Andriamanitra Raintsika, sy i Jesoa Kristy Tompontsika
no hanitsy lalana anay ho atý aminareo;
ary ny Tompo hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavanareo
sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra,
tahaka anay aminareo izao!
Hankahery ny fonareo anie Izy,
ary hiaro azy tsy hanan-tsiny amin’ny fahamasinana
eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika,
ho amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika
mbamin’ny olo-masiny rehetra. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 89, 3-4. 12-13. 14 sy 17

Hetsaho faingana amin’ny hatsaram-ponao izahay, ry Tompo, ka hihoby sy hifaly amin’ny andronay sisa.

Nampodinao ho vovoka ny arin-tananao.
Miverena, hoy Ianao, ry taranaka voafetra.
Toy ny aloka miserana aminao ny arivo taona:
tsidik’andro kely fohy, pitik’alina mimaona.

Ampianaro anay, ry Tompo, ny manisa ny andronay;
atodiho fo fanahy mba hikatsa-pahendrena.
Miverena re, ry Tompo, aza ela fa tongava:
mangoraha ka tsinjovy mba ho soa ny olonao.

Vao maraina dia hetsaho ny fitiavanao izahay,
ka ho revon-kafaliana sy hiantsa isan’andro.
Ary homba anay izao ny fanambinanao, ry Tompo,
hanamafy sy hampamokatra ny asan-tananay.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 24, 42-51)

Miambena ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Miambena àry,
fa tsy fantatrareo izay tapak’andro hiavian’ny Tomponareo.
Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hiavian’ny mpangalatra,
dia hiambina izy fa tsy havelany hotamîna ny tranony.
Koa aoka àry ho vonona koa ianareo,
fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.
Iza moa no mpanompo mahatoky sy hendry
izay notendren’ny tompony ho mpifehy ny ankiziny,
mba hanome hanina azy amin’ny fotoany?
Sambatra izany mpanompo izany raha tonga ny tompony
ka mahita azy manao izany;
lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitantana ny fananany rehetra izy.
Fa raha ratsy fanahy kosa ilay mpanompo ka manao anakampo hoe:

‘Mbola ho ela ny tompoko vao ho avy’,

ka mikapoka ny mpanompo namany izy
sy miara-mihinana sy misotro amin’ny mpimamo,
dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny
sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany,
ka hotapahiny roa izy
ary haraikiny ho any amin’ny mpihatsaravelatsihy ny anjarany;
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...