Vakiteny voalohany

Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Tesalônika (1 Tes. 2, 1-8)

Tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo fa ny ainay koa aza.

Ry kristianina havana,
tenanareo no mahalala, fa tsy foana ny fidiranay tatý aminareo;
fa nony avy nampahoriana sy nalam-baràka tany Filipy izahay,
araka ny fantatrareo rahateo,
dia tonga nitory ny Evanjelin’Andriamanitra tatý aminareo,
tamim-pitokiana lehibe an’Andriamanitra sy tanatin’ny ady mangotraka.
Fa tsy mba avy amin’ny fitaka, na ny fahalotoana, na ny hafetsena ny fitorianay teny,
fa araka ny nankasitrahan’Andriamanitra
ny hametrahana ny Evanjely aminay no ampianaranay azy,
tsy toy ny mila sitraka amin’ny olombelona,
fa amin’Andriamanitra izay mizaha toetra ny fonay.
Satria tsy mba nanao teny fandokafana na oviana na oviana izahay,
araka ny fantatrareo;
na mba nanao ny asanay ho filam-bola (Andriamanitra no vavolombelona),
na nitady voninahitra tamin’olombelona,
na taminareo izany, na tamin’ny hafa;
ary na dia azonay natao aza ny manampatra fahefana,
noho ny maha-Apôstôlin’i Kristy anay,
dia naleonay nanetry tena teo aminareo,
mova tsy ny reny mitaiza ny zanany.
Fa noho ny fitiavanay anareo,
dia tsy ny Evanjelin’Andriamanitra ihany no nirinay homena anareo,
fa ny ainay koa aza,
satria efa tonga maminay loatra ianareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 138, 1-2. 3-4. 5-6

Tompo ô, mandinika ahy Ianao ka mahafantatra!

Tompo ô, mandinika ahy Ianao,
ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!

Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.
Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako,
dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!

Voambombanao aho na aloha na aoriana;
ny tananao mipetraka eo amboniko!
Fahalalana mahagaga loatra amiko;
avo loatra, tsy hamboiko takarina!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 23-26)

Izany no tsy maintsy arahinareo, nefa ireroa koa tsy azonareo avela.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny nanao hoe:

“Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny ampahafolon’ny solila sy ny aneta ary ny komina aloanareo;
nefa ny zavatra lehibebe kokoa amin’ny Lalàna tsy tandremanareo,
dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana.
Izany no tsy maintsy arahinareo,
nefa ireroa koa tsy azonareo avela.
Ry mpitari-dalana jamba,
ny moka tantavaninareo, nefa ny rameva atelinareo!
Loza ho anareo, ry mpanora-dalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy,
fa ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia diovinareo,
nefa ny ao anatiny feno halatra sy tsy fahonònana.
Ry Farisianina jamba,
diovy aloha ny atin’ny kapoaka sy ny lovia
mba ho madio koa ny vohony.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...