Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 11, 29-39a)

Hatolotra ho sorona amin’Andriamanitra izay mivoaka ny trano voalohany indrindra.

Tamin’izany andro izany,
tonga tamin’i Jefte ny Fanahin’ny Tompo ka nandeha namaky an’i Galaada sy i Manase izy,
ary tonga hatrany Masfà, any Galaada:
ary avy ao Masfà any Galaada dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna.
Nivoady tamin’ny Tompo i Jefte nanao hoe:

“Raha atolotrao eo an-tanako ny taranak’i Amôna,
dia ho an’ny Tompo ary atolotro ho sorona dorana
izay mivoaka ny varavaran’ny tranoko hitsena ahy,
rahefa miverina soa aman-tsara avy any amin’ny taranak’i Amôna aho.”

Dia nandroso hamely ny taranak’i Amôna i Jefte,
ary natolotry ny Tompo teo an-tanany ireny,
ka nasiany hatrany Arôera ka hatrany akaikikaikin’i Menita, nahazoany tanàna roapolo,
sy hatrany Abela-Keramina, ka dia resy mafy tokoa izy ireo.
Dia voaetry teo anoloan’ny zanak’i Israely ny taranak’i Amôna.

Niverina nankany an-tranony any Masfà i Jefte,
ka intý ny zanany vavy no nivoaka hitsena azy,
nitondra amponga tapaka sy nandihy.
Zanany vavy tokana io, tsy nanana afa-tsy io izy,
tsy nisy lahy na vavy hafa.
Vao nahita azy i Jefte dia nandrovitra ny fitafiany, ka nanao hoe:

“Adray, anaka,
mahaketraka ahy ianao ary anisan’izay mahavery hevitra ahy,
fa efa niloa-bava tamin’ny Tompo aho,
ka tsy afa-mifody intsony.”

Dia hoy izy taminy:

“Dada ô, efa niloa-bava tamin’ny Tompo ianao,
ka ataovy amiko izay naloaky ny vavanao,
satria efa novalian’ny Tompo ny nataon’ny taranak’i Amôna fahavalonao taminao.”

Ary hoy izy tamin-drainy:

“Itý no mba soa ataovy amiko:
Avelao malalaka aho, mandritra ny roa volana:
dia handeha ho any an-tendrombohitra,
ary hitomany ny fahavirjiniako miaraka amin’ireo namako.”

Hoy ny navaliny azy:

“Ndeha àry.”

Dia navelany handeha roa volana izy.
Ka nandeha niaraka tamin’ny namany,
nitomany ny fahavirjiniany tany an-tendrombohitra izy.
Nony tapitra ny roa volana,
dia niverina tany amin-drainy izy,
ka notanterahiny taminy ny voady efa nataony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 39, 5. 7-8a. 8b-9. 10

Intý aho tamy, Tompo, hanao ny sitrakao.

Sambatra ny olona
manao ny Tompo ho tokiny,
tsy miherika
amin’ny rendrarendra sy ankosotra!

Tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra,
nosokafanao mantsy ny sofiko.
Tsy misy ilainao izay sorona dorana sy fanonerana.
Ka hoy aho hoe: Intý aho tamy!

Voasoratra ao amin’ny Boky
ny momba ahy.
Ny manao ny sitrakao, ry Andriamanitro, no mamiko.
Eny, ato anatin’ny foko ny Lalànao.

Torìko ao am-piangonam-be
ny Fahamarinanao.
Fantatrao, ry Tompo,
tsy akomboko ny molotro.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 22, 1-14)

Antsoy ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lehiben’ny mpanora-dalàna sy ny loholona indray
nanao itý fanoharana itý hoe:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny andriamanjaka anankiray
izay nanao fanasana tamin’ny fampakaram-badin’ny zanany lahy,
ka naniraka ny ankiziny hanainga izay efa nasaina, ho any amin’ny fampakaram-bady,
fa tsy nety nankany ireo.
Dia naniraka ankizy hafa indray izy nanao hoe:
Lazao amin’ny nasaina hoe:
Indro efa voavoatra ny nahandro ka efa voavono ny ombiko sy ny zavatra nafahy,
ary efa vonona avokoa ny zavatra rehetra,
koa tongava atý amin’ny fampakaram-bady ianareo.
Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy,
ny iray nankany amin’ny sahany,
ny iray nankany amin’ny varony;
ary ny sasany nisambotra ny ankiziny,
ka nony efa notevatevainy dia novonoiny.

Tezitra ny mpanjaka nony nandre izany,
ka naniraka miaramila nandringana izany mpamono olona izany,
sy nandoro ny tanànany.
Dia hoy izy tamin’ny ankiziny:
Efa voaomana ny fanasana amin’ny fampakaram-bady,
fa ny nasaina no tsy mendrika.
Koa mandehana ianareo any amin’ny fihaonan-dalana,
ary asao ho atý amin’ny fampakaram-bady avokoa izay hitanareo.
Dia niely eran’ny arabe ny ankiziny,
nanangona izay rehetra hitany na tsara na ratsy,
ka hipoka ny mpihinana ny trano fampakarana.
Ary niditra ny mpanjaka nizaha ny mpihinana,
ka nahita lehilahy anankiray tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady,
dia hoy izy taminy:
Ry sakaiza, nahoana ianao no niditra eto,
nefa tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady?
Fa sina ilay olona;
ka hoy ny mpanjaka tamin’ny mpanompony:
Afatory ny tongotra aman-tanany,
ka ario any amin’ny maizina any ivelany io,
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Fa maro no nantsoina, nefa vitsy no fidìna.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...