Vakiteny voalohany
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 19, 9a. 11-13a)
Mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra anatrehan’ny Tompo,
Tamin’izany andro izany,
nony tonga tany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra i Elia,
dia niditra tao anaty zohy, ary nandry tao.
Ary indro tonga taminy ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
“Mivoaha ianao,
ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’ny Tompo,
fa indro handalo ny Tompo”.
Dia nisy rivotra be sady mahery,
nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy teo alohan’ny Tompo,
nefa tsy tao amin’ny rivotra ny Tompo.
Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany,
nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany ny Tompo.
Nanaraka ny horohoron-tany dia nisy afo koa,
nefa tsy tao amin’ny afo ny Tompo.
Ary nanarakaraka ny afo nisy fizozozozo malefaka sy malemy.
Ka raha nandre izany i Elia,
nosaronany ny kapotiny ny tarehiny ka dia nivoaka izy
ary nijanona teo am-bava zohy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 84, 9ab-10. 11-12. 13-14
Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao ary omeo anay ny famonjena avy aminao.
Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa tsy fiadanana no lazainy.
Akaiky an’izay matahotra Azy ny famonjeny;
efa honina eto amin’ny tanintsika ny voninahiny.
Tafahaona ny fitiavana sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana,
ny fahamarinana mitrebona ety an-tany,
ny rariny kosa mitranga eny an-danitra.
Ny Tompo amim-peo avo manome orana,
ny tanintsika manome ny vokany;
ny rariny mizotra eo anoloany,
ny fiadanana manjohy ny diany.
Vakiteny faharoa
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 9, 1-5)
Niriko ny ho voaozona mba hamonjeko ny namako.
Ry kristianina havana,
milaza ny marina ao amin’i Kristy aho,
ka tsy mandainga,
ary ny Fanahy Masina sy ny hitsim-poko no vavolombeloko,
fa malahelo mafy aho,
ory lalandava ny foko,
satria saiky niriko aza ny ho voaozona ho lavitra an’i Kristy ny tenako,
hamonjeko ny iray finoana amiko,
izay havako araka ny nofo,
dia ireo Israelita,
izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra,
sy ny fanekena, sy ny lalàna sy ny fombam-pivavahana,
ary ny fampanantenana;
azy koa ny Patriarika,
sady avy aminy araka ny nofo i Kristy,
izay ambonin’ny zavatra rehetra,
Andriamanitra isaorana mandrakizay. Amen.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-33)
Asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.
Tamin’izany andro izany,
rehefa avy namahana ny olona i Jesoa ka nahavoky azy,
dia nandidy ny mpianany hiakatra an-tsambo kely sy hita hialoha Azy
ambara-pandravany ny vahoaka;
ary rehefa nampirava ny vahoaka Izy,
dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka manokana;
ka nony alina ny andro dia izy irery no teo.
Tamin’izay ny sambo kely dia nahilangilan’ny onjan-drano teny afovoan’ny ranomasina,
fa nanoha rivotra.
Ary tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina,
dia nandeha teny ambony rano i Jesoa,
ka nankeo amin’izy ireo.
Fa nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo,
dia natahotra ka nanao hoe:
“Matoatoa io”,
sady niantsoantso izy noho ny tahony.
Niaraka tamin’izay dia niteny taminy i Jesoa nanao hoe:
“Matokia, fa Izaho ihany,
ka aza matahotra!”
Namaly i Piera nanao hoe:
“Raha Ianao àry, Tompo,
asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho”.
Hoy Izy hoe:
“Avia”.
Dia nidina avy eny an-tsambo i Piera,
ka nandeha teny ambony rano ho eny amin’i Jesoa.
Kanjo nony hitany fa nahery ny rivotra,
dia natahotra izy;
ary nony nanomboka nilentika izy,
dia niantso mafy hoe:
“Tompo ô, vonjeo aho!”
Niaraka tamin’izay dia naninji-tanana i Jesoa,
dia nandray azy ka nanao taminy hoe:
“Ry kely finoana,
nahoana no nisalasala ianao?”
Ary rehefa niakatra teo an-tsambo izy ireo,
dia nitsahatra ny rivotra.
Tamin’izay, ry zareo teo an-tsambo kely,
dia nanatona Azy sy nitsaoka Azy nanao hoe:
“Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.