Vakiteny voalohany
Boky Eksaody (Eks. 19, 1-2. 9-11. 16-20b)
Nidina nanatrika ny vahoaka teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia ny Tompo.
Tamin’ny volana fahatelo taorian’ny nivoahan’i Israely tany Ejipta,
tamin’izany andro izany, no nahatongavany tany an’efitr’i Sinaia.
Efa niala tany Rafidima izy;
ary nony tonga tamin’ny efitr’i Sinaia, dia nitoby tao an’efitra;
tandrifin’ny tendrombohitra no nitobian’i Israely.
Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho,
mba ho ren’ny olona rahefa miteny aminao Aho,
dia hinoany anao mandrakariva koa.”
Dia nolazain’i Môizy tamin’ny Tompo ny tenin’ny vahoaka.
Ka hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Mandehana mankany amin’ny vahoaka, ka hamasino izy anio,
sy ampitso ary asaovy sasàny ny fitafiany.
Aoka ho voaomana amin’ny andro fahatelo izy,
fa hidina eo an-tampon’ny tendrombohitra Sinaia
eo imason’ny vahoaka rehetra ny Tompo amin’ny andro fahatelo.”
Nony marainan’ny andro fahatelo,
dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra,
ary nisy feon’anjomara mafy nitatatata,
ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.
Nentin’i Môizy nivoaka ny toby ny vahoaka
handeha hihaona amin’Andriamanitra;
dia teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona.
Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo,
satria tanaty afo no nidinan’ny Tompo nankeo amboniny,
ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka,
ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.
Nihamafy nihamafy ihany ny feon’anjomara.
Ary niteny i Môizy ka namaly feo azy Andriamanitra.
Nidina ny Tompo nankeo an-tendrombohitra Sinaia,
dia teo an-tampon’ny tendrombohitra izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56
Fa mendrika dera sy laza, isaorana mandrakizay.
Isaorana indrindra Ianao,
ry Tompo Andriamanitry ny razana.
Isaorana ny Anaranao,
fa masina, be voninahitra.
Isaorana indrindra Ianao,
an-tempoly be voninahitra.
Isaorana indrindra Ianao,
ambony fiketraha-mpanjaka.
Isaorana indrindra Ianao,
mahatsinjo ny halalin’ny hantsana.
Isaorana indrindra Ianao,
mipetraka ambony Kerobima.
Isaorana indrindra Ianao,
manerana tany aman-danitra.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 10-17)
Ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe:
“Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”
Namaly Izy ka nanao taminy hoe:
“Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra,
fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy,
ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy.
Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy:
satria mijery izy fa tsy mahita,
ary mandre fa tsy mahazo na mahalala;
ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe:
‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala,
ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita;
fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto,
ary ny masony efa nakimpiny,
sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony,
dia hibebaka izy ary hositraniko.’
Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita,
ary ny sofinareo fa mandre.
Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminanysy ny olo-marina
naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.