Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 14, 5-18)

Ho fantatr’izy ireo fa Izaho no Tompo, rahefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna.

Tamin’izany andro izany,
dia nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe lasa nandositra ny vahoaka.
Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka fa hoy izy ireo:

“Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha,
ka namoy ny fanompoany antsika?”

Dia nasain’i Faraôna nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany.
Ny nentiny dia kalesy voafantina eninjato sy ny kalesy rehetra tao Ejipta,
samy nisy mpifehy avy.
Nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta,
ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna,
ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely.
Koa nanenjika azy ny Ejipsianina ary nahatratra azy
teo akaikin’ny ranomasina izay nitobiany;
nahatratra azy teo akaikin’i Fihahirôta,
tandrifin’i Beelsefôna avokoa ny soavaly mpitarika kalesin’i Faraôna
sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny rehetra.

Nony mby akaiky i Faraôna, natopin’ny zanak’i Israely ny masony,
dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejipsianina,
ka raiki-tahotra mafy ny zanak’i Israely sy velon-taraina tamin’ny Tompo.
Ary nanao tamin’i Môizy hoe:

“Tsy misy fasana va tany Ejipta,
no dia nentinao ho faty atý an’efitra izahay?
Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta?
Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe:
Avelao ihany izahay hanompo ny Ejipsianina
fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy toy izay ho faty any an’efitra.”

Fa hoy kosa i Môizy tamin’ny vahoaka:

“Aza matahotra fa mipetraha tsara eo ka zahao ny famonjen’ny Tompo anareo anio;
fa ireo Ejipsianina hitanareo anio ireo, tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Ny Tompo no hiady ho anareo,
fa ianareo mipetraha tsy amin’ahiahy.”

Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:

“Nahoana no mitaraina amiko ianao?
Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga.
Ianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina
dia hampisaraka roa azy;
ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,
ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejipsianina hanarahany azy ireo avy aoriana,
ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra,
mbamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ka ho fantatry ny Ejipsianina fa Izaho no Tompo,
rahefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna
sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo : Eks 15, 1-2. 3-4. 5-6

Hihira ho an’ny Tompo isika, fa efa naneho ny voninahiny izy.

Hihira ho an’ny Tompo aho
fa efa naneho ny voninahiny Izy.
Nariany any an-dranomasina ny soavaly
sy ny mpitaingina azy.

Ny Tompo no heriko sy fototry ny tononkirako,
Izy no namonjy ahy.
Izy no Andriamanitro ka hankalazaiko,
sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.

Mpiady mahery ny Tompo.
Mahefa ny zava-drehetra ny Anarany.
Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina;
ny kapiteny voafantina natelin’ny ranomasina Mena.

Natelin’ny rano ireny;
nilentika any amin’ny farany ambany izy ireo.
Tompo ô, nigagàna noho ny heriny ny tananao havanana,
Tompo ô, nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio,
fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 38-42)

Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana.

Tamin’izany andro izany,
ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an’i Jesoa nanao hoe:

“Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay.”

Fa namaly Izy ka nanao hoe:

“Mangata-pamantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity
fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an’i Jônasa mpaminany izy;
fa tahaka ny nitoeran’i Jônasa hateloan’andro sy hateloan’alina
tany an-kibon’ny hazandrano lehibe
no hitoeran’ny Zanak’Olona hateloan’andro sy hateloan’alina
ao anatin’ny tany koa.
Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy,
satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasa teny;
nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto.
Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana
hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy;
fa niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
ka nankaty hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...