Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 11, 10 — 12, 14)

Hamono zanak’ondry ianareo amin’ilay àty takariva iny; ho hitako ny ra, dia holalovako fotsiny ianareo.

Tamin’izany andro izany,
dia nanao fahagagana maro teo anatrehan’i Faraôna i Môizy sy i Aarona,
fa nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna,
ka tsy navelany hiala amin’ny taniny ny zanak’i Israely.

Dia izao no nolazain’ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna
tany amin’ny tany Ejipta:

“Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo,
dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo.
Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra, ataovy hoe:

‘Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity,
samia ianareo maka zanak’ondry iray avy isain-pianakaviana,
zanak’ondry iray isan-trano.
Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray,
dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy
arakaraka ny isan’ny olona,
fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray no hanisanareo ny olona
hihinana an’io zanak’ondry io.
Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona;
ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy.
Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io,
vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra
amin’ilay àty takariva iny.
Hangalàna ny rany hatentina amin’ny tolàna roa
sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy;
ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony.
Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy
miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.
Tsy hisy haninareo manta na masa-drano aminy,
fa atsatsika amin’ny afo daholo mbamin’ny lohany, ny tongony, ny tsinainy.
Aza avela hisy tra-maraina, fa raha misy tsy lany dia dory.
Ary toy izao no hihinananareo azy:
ny andilana voasikina,
ny tongotra voaisy kapa;
ny tanana mitan-tehina,
ny fihinanana azy atao faingana.
Pakan’ny Tompo izany.’

Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io,
ka ny lahimatoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko,
hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby,
ary hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra:
fa Izaho no Tompo.
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo;
ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo,
ka tsy hisy loza hahafaty anareo,
rahefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany,
fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana ny Tompo,
hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby,
ho zava-nalahatra haharitra mandrakizay.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 115, 12-13. 15-16. 17-18

Hanainga ny kapoaky ny famonjena aho, ho fiantsoana ny Anaran’ny Tompo.

Koa inona no havaliko ny Tompo
fa maro dia maro ny soa nataony?
Halaiko ny kalisim-pamonjena,
hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.

Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao fa zanaka mpanompovavinao,
dia indro ny gadrako esorinao.

Hanatitra sorom-pisaorana aho
hiantsoako amy foko ny Anaranao,
efaiko ny voadiko taminao,
efaiko anatrehan’ny firenena.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalàna aho, ry Tompo,
hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)

Tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namaky ny tanimbary tamin’ny andro sabata,
ary noana ny mpianany ka nioty salohim-bary, dia nihinana;
fa nony nahita izany ny Farisianina,
dia nilaza taminy hoe:

“Indro ny mpianatrao manao izay tsy fanao amin’ny andro sabata.”

Ary hoy Izy taminy:

“Moa tsy novakìnareo va izay nataon’i Davida
raha noana izy sy izay nanaraka azy,
fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy,
ka nihinana ny mofo alahatra,
kanefa tsy nisy nahazo nihinana izany na izy na izay nanaraka azy,
afa-tsy ny mpisorona ihany?
Sa tsy novakìnareo ao amin’ny lalàna va
fa amin’ny andro sabata dia mandika ny sabata ny mpisorona ao amin’ny tempoly,
kanefa tsy meloka izy?
Ary lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
Raha fantatrareo manko ny hevitry ny teny hoe:
Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona,
dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo;
satria tompon’ny sabata aza ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...