Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks. 2, 1-15a)

Nataony hoe Môizy ny anarany, fa teo amin’ny rano izy no nalaina; ary nivoaka nankany amin’ny rahalahiny izy avy eo.

Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy anankiray, fokon’i Levi,
lasa naka ho vadiny ny zanakavavin’i Levi anankiray.
Ary tonga bevohoka ravehivavy, dia tera-dahy.
Ary hitany fa tsara tarehy ity zaza, ka dia nafeniny telo volana.
Nony efa tsy azony nafenina intsony, dia nalainy ny vata zozoro anankiray,
nohosorany mena-tany sy ditin-kazo dia napetrany tao ny zaza,
ka nalatsany tao anaty bararata amoron’ny ony.
Ary ny anabavin’ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny
mba hahita izay hihatra aminy.
Dia nidina handro teo amin’ny ony ny zanakavavin’i Faraôna,
ka nitsangantsangana teny amoron’ny ony ny zazavavy namany.
Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata,
dia nasainy nalain’ilay ankizivaviny.
Nosokafany ity izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany,
dia nangoraka azy izy, ary nanao hoe:

“Zanaky ny Hebrio itony!”

Tamin’izay kosa ny anabavin’ity zaza dia niteny tamin’ny zanakavavin’i Faraôna nanao hoe:

“Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza
amin’ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io?”

Ary hoy ity zanakavavin’i Faraôna:

“Mandehàna.”

Dia lasa razazavavy naka ny renin’ny zaza.
Ary hoy ny zanakavavin’i Faraôna taminy:

“Ento ity zaza ity ka tezao ho ahy,
fa homeko anao ny karamanao.”

Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.

Nony efa lehibe ny zaza,
dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’i Faraôna,
ka nataony toy ny zanany sy nomeny anarana hoe Môizy,
fa teo amin’ny rano no nanalako azy, hoy izy.

Tamin’izany andro izany, efa lehibe i Môizy,
ka nivoaka nankany amin’ny rahalahiny;
nahita ny asa mafy nataony izy,
ary nisy Ejipsianina anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin’ireo rahalahiny.
Niherikerika nijery izy aloha,
ka nony fantany fa tsy nisy olona teny dia novonoiny ilay Ejipsianina
ka nafeniny tao anaty fasika.

Ny ampitson’izay indray, nivoaka izy,
ka indro fa nifanditra ny Hebrio roa lahy,
ary hoy izy tamin’ilay diso hoe:

“Ahoana no ikapohanao ny namanao?”

Fa hoy ny navalin-dralehilahy:

“Iza no nanangana an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay?
Sa tadiavin’ialahy hovonoina koa aho,
tahaka ny namonoan’ialahy ilay Ejipsianina?”

Raiki-tahotra i Môizy, ka hoy izy:

“Misy mahalala tokoa ilay zava-nitranga!”

Nony ren’i Faraôna ny zava-nitranga,
dia notadiaviny hovonoina i Môizy,
saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy,
ka nankany amin’ny tany Madiàna.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 68, 3. 14. 30-31. 33-34

Ry malahelo, katsaho Andriamanitra, dia ho velom-bolo ny fonareo!

Revon’ny fotaky ny hantsana aho:
tsy mahita hifaharana;
tonga amin’ny lalina indrindra:
safotry ny onja.

Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo!
Iantrao aho, ry Andriamanitra;
valio noho ny haben’ny hatsaram-ponao,
sy araka ny fahamarinan’ny vonjinao.

Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa
dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra:
ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra,
ary hankalaza Azy amin-tsaotra.

Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio,
fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)

Ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna ary amin’ny tanin’i Sôdôma noho ny aminareo amin’ny andro fitsarana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro;
satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe:

“Loza ho anao, ry Kôrôzaina,
loza ho anao, ry Betsaida!
fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo,
dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana,
dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna
noho ny hatao aminareo.
Ary ianao, ry Kafarnaôma,
hasandratra hatrany an-danitra va ianao?
Hietry hatrany amin’ny afobe ianao,
fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao,
dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy.
Koa dia lazaiko aminao
fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana
noho ny hatao aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...